Ramadany
Ny Ramadany dia volana fahasivy ao amin' ny tetiandro mozilmana na tetiandro silamo. Io ihany ny anaram-bolana hita ao amin' ny boky Kor'any. Ho an' ny Mozilmana dia io no volana tsara sy masina indrindra satria io no volana anaovana fifehezana, indrindra ifadian-kanina (arabo: sawm) amin' ny andro fa tsy amin' ny alina, sady ahitana ilay atao hoe Laylat al-Qadr ("Alin' ny Lahatra"). Avy amin' ny teny arabo hoe رمضان / ramaḍān ny teny nogasina hoe ramadany. Ny volana Sabàny (Sha'bane) no eo alohany ary ny volana Saoaly (Shawwal) no manaraka azy.
Ny fifehezana (anisan' izany ny fifadian-kanina) amin' ny volana Ramadany dia iray amin' ny fototra na andry dimin' ny finoana silamo. Mandritra io volana io ny Mozilmana feno taona salama tsara, araka ny firehana silamo maro, dia tsy tokony hihinana na hisotro na hifoka na hanao firaisana ara-nofo mandritra ny fotoana eo anelanelan' ny mazava atsinanana sy ny filentehan' ny masoandro.
Ny fifadian-kanina manomboka amin' ny maraina ka hatramin' ny filentehan' ny masoandro dia فرض / fard ("tsy maintsy atao") ho an' ny Mozilmana feno taona rehetra, afa-tsy ireo izay marary mafy sy marary maharitra, na any am-pandehanana lavitra, na be taona, na mampinono, na voan' ny diabeta, na tonga fotoana. Ny sakafo alohan' ny maraina dia antsoina hoe سحور / suhur, ary ny fisakafoanana isan' alina izay mampiato ny fifadian-kanina dia antsoina hoe افطار / iftar. Na dia efa nivoaka aza ny فتوى / fatawa manambara fa ny Mozilmana mipetraka any amin' ny faritra misy masoandro mamatonalina na alina any amin' ny tendrontany dia tokony hanaraka ny fandaharam-potoana any Meka, fanao mahazatra ny manaraka ny tetiandron' ny firenena akaiky indrindra ahafahana manavaka ny alina amin' ny andro.
Volan' ny falala-tanana ny Ramadany, satria amin' ny fifaranany dia mizara ho an' ny mahantra ny mpino, izany no atao hoe zakât al-fitr. Volana ahatsiarovana zava-niseho maro teo amin' ny tantaran' ny finoana silamo koa ny Ramadany. Manokan-tena ho amin' ny vavaka صلاة / salat sy ny fianarana ny Kor'any koa ny Mozimana amin' io fotoana io. Ny valisoa ara-panahy (ثواب / thawab) amin' ny fanaovana fifadian-kanina dia inoan' ny Mozilmana fa mitombo mandritra ny Ramadany.
Ny Laylat al-Qadr ("Alin' ny Lahatra"), izay heverina ho alina masina indrindra amin' ny taona, dia fahatsiarovana ankalazaina mandritra ny iray amin' ireo folo andro tsy ankasa farany amin' ny volana. Tamin' io alina io no voalaza fa nanambaran' ny arkanjely Gabriela (Jibril) ny Kor'any tamin' ny mpaminany Mohamady.
Fiforonan-teny
[hanova | hanova ny fango]Ny teny hoe Ramadany dia avy amin' ny fototeny arabo ahitana ny renisoratra rā sy mīm ary ḍād, hoe ر-م-ض / r-m-ḍ izay midika hoe "hafanana mahamay", izay hita ao amin' ny matoanteny amin' ny fiteny teny arabo klasika hoe رَمِضَ / ramiḍa, izay midika hoe "mihamirehitra mafy", "mihamandoro"; "mirehitra", "madoro", mamirapiratra”, izay manondro ny hafanan' ny fahavaratra. Ny anarana hoe Ramadany dia nomena ny volana fahasivy tany amin' ny Tontolo Arabo ela be talohan' ny nahatongavan' ny finoana silamo.
Ho an' i Plessner, izany dia manondro fa, ao amin' ny tetiandro manara-bolana sy masoandro talohan' ny silamo, dia tandrify ny fahavaratra io volana io. Araka ny The Encyclopedia of Islam, roa volana monja no manasaraka ny Ramadany amin' ny volana hafa izay azo ampifandraisina amin' ny hatsiaka ny niforonan' ny anarany, mampiady ny fahafantarana raha tena nifandray amin' ny fizaran-taona manokana ny volana tao Arabia afovoany.
Misy ny mihevitra fa iray amin' ny anaran' Andriamanitra ao amin' ny finoana silamo ny Ramadany, ka araka izany dia voalaza ao amin' ny hadita maro fa voarara ny miteny hoe "Ramadan" raha miresaka momba ny volana ao amin' ny tetiandro ary ilaina ny tokony hitenenana hoe "volana Ramadany", araka ny tatitra avy amin' ny loharanom-baovao sonita sy siita ary zaidita. Na izany aza, io tatitra io dia heverin' ny hafa ho mawḍūʻ (zavatra noforomporonina) ary tsy marina.
Amin' ny fiteny persiana, ny litera arabo ض / dād dia tononina hoe /z/. Mampiasa ny teny hoe Ramadan na Ramzan ny Mozilmana any amin' ny firenena sasany nanjakazakan' ny Persiana ara-tantara, toa an' i Afganistana, i Azerbaijana, i Irana, i India, i Pakistana ary i Torkia. Ampiasaina ao Bangladesy ny teny hoe Romzan.
Tetiandro
[hanova | hanova ny fango]Ny andro voalohany sy farany amin' ny volana Ramadany dia faritana amin' ny alalan' ny tetiandro mozilmana[1]. Ny tetiandro mozilmana dia tetiandro manara-bolana: ny volana tsirairay dia manomboka aorian' ny tsinam-bolana (hilal). Satria manomboka amin' ny filentehan' ny masoandro ny andro dia tsy maintsy tazana ilay tsinam-bolana vaovao alohan' ny hanjavonany eny amin' ny faravodilanitra amin' ny hazavan' ny takariva. Raha aorian' ny filentehan' ny masoandro ny tsinam-bolana dia ny ampitson' iny no anaovana ny fijerevana ny lanitra. Zavatra iray hafa tsy maintsy tandremana: ny andro faha-29 amin' ny volana Ramadany (toy ny isam-bolana) dia tsy maintsy mifanandrify amin' ny tsinam-bolana. Satria ny tetiandro mozilmana dia mety misy folo na iraika ambin' ny folo na (amin' ny taona manan-tombo andro iray) roa ambin' ny folo andro latsaka noho ny tetiandro manaraka masoandro ary tsy misy fanisihana iray volana fanampiny, ny Ramadany dia mikisaka isan-taona ary mandalo tsikelikely avy amin' ny fizaran-taona iray mankany amin' ny iray hafa.
Ny ankamaroan' ny Mozilmana dia manizingizina fa tokony hojerena ny volana isanan-toerana hanamarihana ny fiandohan' ny Ramadany, fa ny hafa kosa manizingizina ny tokony hanaovana kajy momba ny tsinam-bolana mba hamaritana ny fiandohan' ny Ramadany. Koa satria tsy hita eny rehetra eny amin' ny fotoana mitovy ny tsinam-bolana aorian' ny volam-baovao, dia miankina amin' izay hita amin' ny toerana tsirairay ny daty fanombohana sy fiafaran' ny Ramadany. Noho izany, ny daty dia tsy mitovy amin' ny firenena tsirairay, fa matetika tsy mihoatra ny andro iray izany; izany no vokatry ny tsingerim-bolana.
Isaky taona manaraka masoandro, ny Ramadany dia manomboka folo ka hatramin' ny roa ambin' ny folo andro mialoha ny tamin' ny taona teo aloha. Misy ny vinavina ara-kaikintana milaza ny fanombohan' ny Ramadany.
Tantara
[hanova | hanova ny fango]Ny volana Ramadany no nampidinana ny Kor'any, tari-dalana ho an' ny olombelona sy fanazavana lala-marina, ary ho fanavahana. Ka izay eo an-toerana aminareo mandritra izany volana izany, dia aoka izy hifehy. Fa ireo izay marary na koa any am-pandehanana lavitra, dia tsy maintsy manolo izany araka ny isan' ny andro tsy vitany amin' ny andro manaraka. Mikendry fahamorana ho anareo Andriamanitra, fa tsy mitady fahasarotana ho anareo velively. Ary aoka ho fenoinareo ny isan' ny andro takiana, ary deraonareo ny halehiben' Andriamanitra tamin' ny nanitsiany anareo, mba hahatonga anareo hankasitraka. — Sorata Al-Baqara 2:185.
Ny Mozilmana dia mihevitra fa ny soratra masina rehetra dia nambara nandritra ny Ramadany, ny Horonam-bokin' i Abrahama, ny Torah, ny Salamo, ny Evanjely ary Kor'any dia nampidinina tamin' ny andro voalohany, fahenina, faharoa ambin' ny folo, fahatelo ambin' ny folo (amin' ny loharano sasany, fahavalo ambin' ny folo) ary fahefatra amby roapolon' ny Ramafany. Voalaza fa i Mohamady dia nahazo ny fanambaràna voalohany ao amin' ny Kor'any tamin' ny Laylat al-Qadr ("Alin' ny Lahatra"), iray amin' ireo alina tsy mitovy isa dimy izay latsaka nandritra ny folo andro farany tamin' ny Ramadany.
Na dia nodidiana hifady hanina voalohany aza ny Mozilmana tamin' ny taona faharoa amin' ny tetiandro mozilmana (taona 624 gregôriana), dia mino izy ireo fa ny fifadian-kanina dia tsy fanavaozana ny mônôteisma raha ny marina fa tena nilaina hatrany ho an' ny mpino mba hahazoana taqwa (ny fahatahorana an' Andriamanitra, araka ny Kor'any 2:183). Marihin' izy ireo fa nifady hanina tamin' ny andro fahafolon' ny volana Muharram ny mpanompo sampy talohan' ny silamo tao Meka mba hanala ny ota sy hisorohana ny hain-tany. I Philip Jenkins dia milaza fa ny fitandremana ny fifadian-kanina amn' ny volana Ramadany dia nipoitra avy amin' ny "fifehezan' ny Karemy henjana tao amin' ny Fiangonana Siriana, hevitra izay nohamafisin' ny manam-pahaizana hafa, anisan' izany ilay teôlôjiana Paul-Gordon Chandler, saingy miady hevitra ny amin' izany ny manam-pahaizana mozilmana sasany.
Fety sy hetsika mandritra ny volana Ramadany
[hanova | hanova ny fango]Laylat al-Qadr
[hanova | hanova ny fango]Ny لیلة القدر / Laylat al-Qadr (Alin' ny Lahatra), izay heverina ho alina masina indrindra amin' ny taona, dia fahatsiarovana ankalazaina mandritra ny iray amin' ny folo andro mitondra laharana tsy ankasa farany amin' ilay volana. Tamin' io alina io no nanambaràn' ny arkanjely Gabriela ny andininy voalohandohany ao amin' ny Kor'any tamin' ny mpaminany Mohamady. Araka ny Kor'any, ho an' ny Mozilmana ity alina ity dia "tsara kokoa noho ny arivo volana" hanandratana vavaka, hanatanterahana asa tsara ary hanaovana fitokavana: ny mivavaka mandritra ity alina ity dia mahazo valisoa toy ny mivavaka mandritra ny arivo volana; noho izany dia maro ny Mozilmana no mandany ny ampahany amin' ny alina (na ny alina manontolo, ho an' ny sasany) mivavaka na mamaky ny Kor'any. Araka ny sonisma, io alina io dia ny 21, 23, 25, 27 na 29 amin' ny volana fa araka ny siisma dia ny faha-19, 21 na 23 amin' ny volana, arakaraka ny taona. Na izany aza, raha araka antontanisa, ny daty matetika dia ny faha-27, mandritra ny taona iray manokana dia mbola tsy azo faritana mialoha ny daty marina. Nanomboka teo dia paika maromaro no atolotra ny mpino mba hisitrahany an' ireo tombontsoa ireo: mivavaka misesy isan' alina, mivavaha amin' ny andro faha-27 satria fantatra fa mandaitra amin' ny tranga 67 amin' ny 100 izany, sns. Ny Daody Bôrà dia mihevitra fa ny Laylat al-Qadr dia ny alina fahatelo amby roapolo amin' ny volana Ramadany[2].
Ny fiaviana siriakan' ny teny sasany ampiasaina ao amin' ny sorata 97 miresaka momba ny Alin' ny Lahatra dia mamela hamantatra lahatsoratra iray ao — "shahr" midika hoe "fiaretana amin' ny alina" amin' ny teny siriaka — avy amin' ny sehatry ny litorjian' ny Krismasy siriaka. Ho an' i Christoph Luxenberg, io sorata io noho izany dia mampahatsiaky ny fidinan' i Jesoa alohan' ny hamerenana azy ho toy ny fidinan' ny Kor'any.
Zakât al-fitr
[hanova | hanova ny fango]Alohan' ny faran' ny volana Ramadany dia aloa ny zakât al-fitr (fiantrana atao amin' ny fampiatoana ny fifadian-kanina). Fanomezana isan-taona avy amin' ny mpino izany. Araka ny fanadihadiana antrôpôlôjia tany ambanivohitr' i Ejipta, ny 20 % amin' ny tantsaha mozilmana ihany no mandoa zakat. Amin' ny lafiny iray, ny 76 % amin' izy ireo dia mandoa zakat al-fitr, izay adidy tsy dia lehibe loatra.
Aid el-Fitr
[hanova | hanova ny fango]Ny Aid al-Fitr amin' ny andro voalohan' ny volana Shawwal, dia manamarika ny fiafaran' ny fifadian-kanina sady andro voalohany amin' ny volana manaraka, aorian' ny fahitana tsinam-bolana hafa; noho izany dia tonga ny Aid aorian' ny 29 na 30 andro fifadian-kanina. Ny Aid el-Fitr dia manondro ny fitsaharana amin' ny fifadian-kanina, fotoana anaovana fankalazana sy fety. Amin' io andro io, ny Mozilmana dia mandeha vao maraina any amin' ny môske, manao akanjo tsara tarehy indrindra (matetika vaovao), ho amin' ny vavaka voalohany amin' ny Aid. Misy ny fanolorana fanomezana ho an' ny ankizy avy eo, karakaraina ny fihinanambe ary atao ny fitsidihana ny ray aman-dreny sy ny namany; omena sakafo koa ny mahantra (zakat al-fitr). Hararaotin' ny Mozilmana io fety io mba hitsidihana ny namany sy ny havany akaiky. Misy ny Mozilmana mihevitra fa tokony haharitra telo andro ny fety iray, ka telo andro no ankalazany ny Aid. Ny vavaka dia raka'ah roa ihany ary azo atao na tsy atao (sunat), tsy mitovy amin' ny vavaka dimy isan' andro.
Mandritra ny volana Shawwal, ny Mozilmana dia asaina mifady hanina mandritra ny enina andro hafa, fantatra amin' ny anarana hoe as-sitta al-bid. Azo atao ny manao an' io fotoana io tsy tapaka na miato, tsy misy fiantraikany amin' ny fahamendrehana. Amin' ny lafiny iray, ny lalàna mozilmana dia tsy manao ho adidy an' ity fifadian-kanina farany ity.
Fanao ara-pivavahana
[hanova | hanova ny fango]Ny fanao mahazatra dia ny mifady hanina manomboka amin' ny maraina ka hatramin' ny filentehan' ny masoandro. Ny sakafo alohan' ny fifadian-kanina dia antsoina hoe suhur, fa ny sakafo amin' ny filentehan' ny masoandro izay manapaka ny fifadian-kanina dia antsoina hoe iftar[3].
Ny Mozilmana dia manokana fotoana bebe kokoa amin' ny fivavahana sy ny asa fiantrana, miezaka ny hanatsara ny fifehezan-tena, araka ny voalaza ao amin' ny hadita manao hoe[4]: "Rehefa tonga ny Ramadany dia misokatra ny vavahadin' ny Paradisa ary mihidy ny vavahadin' ny helo ary afatotra ny devoly.[5]"
Fifadian-kanina amin' ny andro
[hanova | hanova ny fango]Ny Ramadany dia fotoan' ny fisaintsainana ara-panahy sy ny fanatsarana ny tena ary ny fanoloran-tena amam-panompoam-pivavahana. Ny Mozilmana dia andrasana hiezaka bebe kokoa amin' ny fanarahana ny fampianaran' ny silamo. Ny fifadian-kanina (sawm) dia manomboka amin' ny maraina iposahan' ny ary mifarana amin' ny filentehan' ny masoandro. Ankoatra ny fifadiana ny fihinanana sy ny fisotroana mandritra io fotoana io, ny Mozilmana koa dia mifady ny firaisana ara-nofo sy ny fitenenana ary ny fitondrantena feno fahotana mandritra ny fifadian-kanina amin' ny Ramadany. Ny fifadian-kanina dia lazaina fa mampiala ny fo amin' ny asan' izao tontolo izao, ny tanjona dia ny hanadio ny fanahy amin' ny fanafahana azy amin' ny loto manimba. Mino ny Mozilmana fa ny Ramadany dia mampianatra azy ireo hanana fifehezan-tena sy fahafoizan-tena ary fiaraha-miory amin' ireo izay sahirana, ka mamporisika ny fahalalahan-tanana sy ny fiantrana tsy maintsy atao (zakat). Mino ihany koa ny Mozilmana fa ny fifadian-kanina dia manampy amin' ny fangorahana ny mahantra tsy manan-ko hanina.
Ny afaka amin' ny fifadian-kanina dia ahitana ireo mandeha lavitra, ny tonga fotoana, ny marary mafy, ny bevohoka, na ny mampinono. Na izany aza, ny Mozilmana ao amin' ireo sokajy ireo dia mety mbola misafidy ny hifady hanina, mba hanomezana fahafaham-po ny filany ara-panahy, na dia tsy resahin' ny hadita aza izany. Ireo izay tsy afaka mifady hanina dia tsy maintsy manonitra ireo andro tsy nanaovany izany ao aoriana.
Fihinanana amin' ny alina
[hanova | hanova ny fango]Rehefa tapitra ny ampahan' andro ifadian-kanina, ny Ramadany dia fotoana ahafahan' ny fianakaviana na ny mpiara-monina misakafo maro karazana, indrindra miaraka amin' ny ireo tena mahantra. Sakafo manokana, mamy na masira no atao mandritra io vanim-potoana io, indrindra fa ny mofomamy sasany izay tsy hanina amin' ny fotoana hafa amin' ny taona, ohatra amin' izany ny qatayef any Atsinanana Afovoany. Araka ny mahazatra, ny fiatoana amin' ny fifadian-kanina dia atao isan' andro amin' ny fihinanana andrendry aloha.
Suhur
[hanova | hanova ny fango]Isan' andro, alohan' ny mangiran-dratsy, ny Mozilmana dia manao sakafo antsoina hoe suhur, alohan' ny fifadian-kanina. Aorian' ny fijanonana fotoana fohy alohan' ny maraina, ny Mozilmana dia nanomboka manao ny vavaka voalohany amin' ny andro, atao hoe Fajr.
Iftar
[hanova | hanova ny fango]Amin' ny filentehan' ny masoandro, ny fianakaviana dia manapaka ny fifadian-kanina miaraka amin' ny iftar, manokatra ny sakafo amin' ny fihinanana antrendry ho fahatsiarovana ny fanaon' i Mohamady amin' ny fifadian-kanina amin' ny voan' antrendry telo. Avy eo izy ireo dia nahemotra amin' ny fotoan' ny vavaka maghrib, ny fahefatra amin' ny vavaka dimy isan' andro, ary aorian' izay dia aroso ny sakafo lehibe.
Ny fivoriana ara-tsôsialy izay atao matetika amin' ny fotoan' ny iftar. Matetika misongadina amin' izany ny sakafo nentim-paharazana, ao anatin' izany ny tsindrin-tsakafo nentim-paharazana, indrindra fa ireo izay natao nomanina mandritra ny Ramadany. Matetika ny rano no zava-pisotro safidin' ny maro, fa misy koa ny ranom-boankazo sy ny ronono koa matetika, toy ny zava-pisotro malefaka sy zava-pisotro misy kafeinina.
Any Atsinanana Afovoany, ny iftar dia ahitana rano, ranom-boankazo, antrendry, salady ary sakafo maivana; lovia lehibe iray na maromaro; ary tsindrin-tsakafo betsaka izay heverina ho manan-danja indrindra amin' ny sakafo. Anisan' ny sakafo fototra mahazatra ny henan-janak' ondry nandrahoina amin' ny varimbazaha, ny kababo amin-kenan-janak' ondry miaraka amin' ny lagioma natono, ary ny akoho natono aroso miaraka amin' ny vary nasiana tsiasisa.
Rehefa nandeha ny fotoana dia nivadika ho fanasam-be izay mahazaka mpihinana an-jatony na an' arivony mihitsy aza ny fanao amin' ny iftar. Ny Môskea Lehibe Sheikh Zayed ao Abu Dhabi, môskea lehibe indrindra ao amin' ny Emirata Arabo Mitambatra, dia mamahana olona hatramin' ny telo alina isan' alina. Olona roa arivo sy iray alina eo ho eo no miandry iftar ao amin' ny toerana masina Imam Reza ao Mashhad.
Fahatsiarovana hafa mandritra ny volana Ramadany
[hanova | hanova ny fango]Ny Ramadany dia volana ahatsiarovana ireo zava-nitranga manan-danja maro amin' ny tantaran' ny fivavahana silamo, anisan' izany:
- ny faha-6 Ramadany, nahaterahan' i Hussein, zafikelin' i Mohamady;
- ny an’ i Fatima, zanakavavin’ i Mohamady;
- amin' ny 10 Ramadany, nahafatesan' i Khadija, vadin' i Mohamady voalohany, tamin' ny 619;
- amin' ny 17 Ramadany, ny ady tao Badr, izay nahazoan' ny Mozilmana ny fandreseny voalohany tamin' ny mponina tao Meka tamin' ny taona 624;
- amin' ny 19 Ramadany, ny fahazoana an' i Meka tamin' ny taona 630;
- amin' ny 21 Ramadany, ny famonoana an' i Ali, vinantolahin' i Mohamady, kalifa faha-4 ary imam siita voalohany, tamin' ny taona 661;
- ny faha-22 Ramadany, nahaterahan' i Ali;
- ny fahafatesan' i Ali ar-Rida, imam siita faha-8, tamin' ny taona 818.
Ankoatra ny tao Badr sy tao Meka dia nisy ady lehibe maro nahazoan' ny Mozilmana fandresena teo amin' ny tantaran' ny silamo (Ady tao Buwayb, Guadalete, Amorium, Ain Jalut, Antiôkia) nitranga nandritra ny volana Ramadany, izay no mahatonga azy io indraindray antsoina hoe "volana fandresena".
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Volana ao amin' ny tetiandro mozilmana: Moharamo (arabo: مُحَرَّم / Muḥarram), Safary (صفر / Safar), Rabialaoaly (ربيع الأوّل / Rabi' al Awal), Rabiatany (ربيع الثاني / Rabi' ath-Thani), Jomadaalaoaly (جُمَادَىٰ الْأَوَّل / Jumada al Awwal), Jomadaatania (جمادى الثاني / Jumada ath-Thania), Rajabo (رجب / Rajab), Sabàny (شعبان / Sha'bane), Ramadany (رمضان / Ramadan), Saoaly (شوّال / Shawwal), Doalkidà (ذو القعدة / Dhu al Qidah), Doalhija (ذو الحجة / Dhu al-Hijja).
Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- ↑ "Ramadan to start May 27 or May 28". aljazeera.com/. Arsiva.
- ↑ Ibn-Ismail-Bukhari, AbdAllah-Muhammad. "Sahih Bukhari – Book 032 (Praying at Night during Ramadhan), Hadith 238". hadithcollection.com. Arsiva tamin' ny 15 Janoary 2013.
- ↑ "Ramadan". in Britannica.
- ↑ "Book of Fasting – Sahih al-Bukhari – Sunnah.com – Sayings and Teachings of Prophet Muhammad (صلى الله عليه و سلم)". Asiva tamin' ny 10 Jona 2015.
- ↑ "Muslims observe Ramadan, clerics explain significance". Guardian News, Nigeria. 4 Jolay 2014. Arsiva tamin' ny 18 Jolay 2014.