Aller au contenu

Herôda Lehibe

Avy amin'i Wikipedia
I Heroda Lehibe

I Herôda Lehibe na Herôda I Lehibe dia mpanjakan'i Jodea (na Jodia) izay notohanan'ny Rômana sady lazaina ao amin'ny lovantsofina jiosy sy kristiana fa mpanjaka nanao didy jadona sy ratsy fanahy. Teraka tamin'ny taona 73 tal. J.K. sady maty tamin'ny taona 4 taor. J.K. izy. Nanomboka tamin'ny taona 37 tal. J.K. ka nifarana tamin'ny taona 4 taor. J.K. ny fanjakany.

Ny anarany

[hanova | hanova ny fango]

I Herôda Lehibe dia atao hoe הוֹרְדוֹס הַגָּדוֹל / Horedos haGadol amin'ny teny hebreo, sy Ἡρῴδης ὁ Μέγας / Hêrôdês ho Mégas amin'ny teny grika, ary Caius Iulius Herodes amin'ny teny latina.

Ny fianakaviany

[hanova | hanova ny fango]

Isan'ny taranaka mpanjaka atao hoe Herôdiana i Herôda Lehibe. Teraka tamin'ny taona 73 tal. J.K. sady maty tamin'ny taona 4 taor. J.K. izy. Teraka tao Palestina atsimo i Herôda ary Arabo ny ray aman-dreniny. I Antipatrôsy no rainy ary i Kiprosy no reniny.

Ireto avy ireo vehivavy novadiny sy ny zanany tamin'izy ireo:

  1. i Dôrisy (na Dôrida), renin'i Antipatera II (na Antipatrosy II);
  2. i Mariamna Hasmoneana (na Mariamna I), renin'i Aristôbola IV sy Aleksandra;
  3. i Mariamna II, renin'i Herôda Bôetosy (na Herôda II);
  4. i Maltake, renin'i Herôda Antipasy sy Herôda Arkelaosy ary i Ôlimpiasy;
  5. i Kleôpatra avy ao Jerosalema (renin'i Herôda Filipo II), renin'i Herôda Filipo (na Filipo Tetrarka) sy Heroda IV;
  6. i Palasy,
  7. i Fedra
  8. i Elpida.

Ny tantarany

[hanova | hanova ny fango]

Teraka tao Palestina atsimo i Herôda ary Arabo ny ray aman-dreniny. I Antipatrosy no rainy izay notendren'i Jolio Kaisara tamin'ny taona 47 tal. J.K. ho mpanapaka an'i Jodea. I Pômpeio Lehibe dia efa nanongana azy tao amin'ny fanjakan-taranaka hasmôneana. Na dia nanohitra aza ny Hasmôneana dia nanaiky an'i Herôda ho mpanjaka tamin'ny taona 39 tal. J.K. ny Antenimierandoholona rômana, nefa tsy tena nanomboka nanjaka izy raha tsy tamin'ny taona 37 tal. J.K. Nanamafy ny fahefany manoloana ny Jiosy izy tamin'ny nanambadiany an'ilay andriambavy hasmôneana atao hoe Mariamna izay nampamonoiny taty aoriana tamin'ny taona 29 tal. J.K.

Nokorontanin'ny ady nisy teo amin'ny antoko jiosy roa, dia ny Sadoseo (na Sadoseanina) sy ny Fariseo (na Farizianina) ny fiandohan'ny fotoana nanjakan'i Herôda, nanampy trotraka koa ny tsy hafaliam-pon'ireo taranaka hasmôneana sisa izay niombona tamin'ny mpanjakavavin'i Egipta atao hoa Kleôpatra. Nandresy ihany i Herôda tamin'ny farany indrindra noho ny faharesen'i Kleôpatra sy i Marko Antônio nanoloana an'i Kaio Ôktavio (ilay nananajary emperora taty aoriana, dia i Aogosto). Na dia nanohana an'i Marko Antônio aza i Herôda tamin'ny adiny tamin'i Ôktavio, dia nanohana an'i Herôda ho mpanjaka i Ôktavio tamin'ny taona 31 tal. J.K. satria nihevitra ity farany fa hanapaka araka ny baikon'i Rôma i Herôda.

Rehefa maty i Herôda dia nizara telo tamin'ireo zanany lahy telo i Jodea, dia i Herôda Antipasy sy i Arkelaosy ary i Herôda Filipo II. Na dia nanaraka ny fombam-pivavahana jiosy aza i Herôda, ary na dia teo aza ny fiezahany hahazo ny fankasitrahan'ny Jiosy, dia tsy tian'ny Jiosy i Herôda noho izy Jentilisa sady sakaizan'ny Rômana.

Lapa avaratr'i Masada namboarin'i Heroda Lehiba tamin'ny taona 25 tal. J.K.

Zava-bitany

[hanova | hanova ny fango]

Teo anelanelan'ny taona 25 sy 13 tal. J.K. dia niroborobo ara-toekarena i Jodea. Nanao asa fanorenana maro i Heroda, ka isan'izany ny fanorenana teatra sy anfiteatra ary toeram-pilalaovana tao Jerosalema sy tao Jeriko ary tao Kaisarea (na Sezarea na Kaisaria) mba hanomezam-boninahitra an'i Aogosto. Nanamboatra sy nanao fanarenana toeram-pamaharana i Herôda mba hiarovany an'i Jodea amin'ny fanafihan'ny Arabo. Isan'ny namboariny i Masada. Nanao fanitarana ny Tempolin'i Jerosalema izy izay nantsoina hoe Tempolin'i Herôda rehefa vita. Ratsy fiafara ny fanjakany noho ny fisian'ny fiokoana tao an-dapa ka nahafaty azy tamin'ny taona 4 taor. J.K.

Lovantsofina kristiana

[hanova | hanova ny fango]

I Herôda Lehibe dia voalaza ao amin'ny lovantsofina kristiana, araka ny Evanjelin'i Matio (Mat. 2.16) ho nandripaka zazalahy kely tsy manan-tsiny mba hahafaty an'i Jesoa zaza tao Betlehema.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]