Aller au contenu

Vatovary

Avy amin'i Wikipedia
Vatovary

Ny vatovary na vatosanga dia vaton-dilatra, vokatry ny fitambarana potik' akoram-bato anjakan' ny voam-pasika (0,063 mm hatramin' ny 2 mm) izay nihamafy rehefa ela ny ela. Ny poti-bato sy ny voam-pasika mamorona ny vatovary amin' ny ankapobeny dia avy amin' ny fikaoky ny vato efa nisy taloha izay mamaritra ny firafiny, ahitana indrindra ny vatokaranana sy ny feldspata.

Miankina amin' ny fitambaran' ny singa mamorona azy sy ny firafiny no mety hahatonga azy ho vato tena mora potika na mafy. Maro karazana ny vatovary any amin' ny tontolo isan-karazany, manomboka amin' ny toerana an-tanibe (renirano, tora-pasika) hatrany amin' ny toerana an-dranomasina. Raha tsy mitambatra ny singa tokony hamorona azy dia mijanona ho fasika izany.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]