Aller au contenu

Tontolo Silamo

Avy amin'i Wikipedia

Ny Tontolo Silamo ny fitambaran' ny vahoaka mozilmana, izay antsoina koa hoe Ummah. Izany dia ahitana ireo rehetra izay manaraka ny finoana ara-pivavahana sy ny pôlitika ary ny lalànan' ny silamo na ny fiarahamonina ahitana ny fanarahana ny fivavahana silamo. Amin' ny heviny ara-jeôpôlitika ankehitriny, ny teny hoe Tontolo Silamo dia manondro ny fitambaran' ny firenena ahitana betsaka ny mpino silamo, na dia tsy misy fepetra ifanarahana amin' ny fampidirana azy ireo amin' izany. Ny teny hoe "firenena be Mozilmana" dia ampiasaina matetika amin' io heviny farany io.

Efa 1 400 taona eo ho eo ny tantaran' ny Tontolo Silamo ary ahitana karazana fivoarana ara-tsôsialy sy ara-pôlitika, ary koa fandrosoana eo amin' ny zavakanto, ny siansa, ny fitsaboana, ny filôzôfia, ny lalàna, ny toekarena ary ny teknôlôjia nandritra ny vanim-potoanan' ny Andro Volamena Silamo. Ny Mozilmana dia mitady tari-dalana ao amin' ny Kor'any ary mino ny iraka ara-paminaniana nataon' ny mpaminany silamo Mohamady, saingy ny tsy fitovian-kevitra momba ny lohahevitra hafa dia niteraka ny fisehoan' ny sekolim-pandinihana sy sekta ara-pivavahana samihafa ao anatin' ny finoana silamo. Ny fandresen' ny Mozilmana sy ny fakana tany nataony, izay niafara amin' ny nananganana ny Kalifata nanerana ny kôntinanta telo (Azia sy Afrika, ary Eorôpa), dia nampanan-karena ny Tontolo Silamo, ka nahafeno ny fepetra ara-toekarena amin' ny fipoiran' ity fiarahamonina ity noho ny fanamafisana ny fampianarana silamo. Tamin' ny vanim-potoana môderina, ny ampahany be amin' ny Tontolo Silamo dia teo ambany fitondran' ny mpanjanaka eorôpeana. Nilaza ny firenena maro izay nipoitra taorian' ny vanim-potoan' ny fanjanahantany dia nandray môdely ara-pôlitika sy ara-toekarena isan-karazany, ary niharan' ny fironana tsy ara-pivavahana sy ara-pivavahana.

Tamin' ny taona 2013, ny fitambaran' ny harin-karen' ny firenena 50 ahitana Mozilmana maro anisa dia 5,7 tapitrisa dôlara amerikana. Tamin' ny taona 2016 dia 8 % ny fandraisana anjar' ireo firenena ireo amin' ny fitambaran' ny harin-karena eran' izao tontolo izao. Tamin' ny taona 2020, ny toekarenan' ny Fikambanam-Piaraha-Miasa Islamika (arabo: منظمة التعاون الإسلامي, / Munaẓẓamat at-Taʿāwun al-ʾIslāmī;; anglisy: Organisation of Islamic Cooperation -- OIC; frantsay: Organisation de la coopération islamique -- OCI), izay ahitana firenena mpikambana 57, dia manana harin-karena mitambatra, tokony eo amin' ny 24 trillion dolara amerikana izay mitovy amin'ny 18% amin'ny harin-karena maneran-tany na 30 000 lavitrisa dôlara amerikana ahitana firenena mpandinika OIC 5 izay mitovy amin' ny 22 % amin' ny harin-karena faobe maneran-tany. Ny sasany amin' ny firenena mpikambana ao amin' ny OIC - Kôtidivoara, Goiana, Gabôna, Môzambika, Nizeria, Sorinamy, Tôgô ary Oganda - dia tsy ahitana Mozilmana maro anisa ny ankamaroany.

Tamin' ny taona 2020, ny 1,8 lavitrisa, izany hoe mihoatra ny 25 % amin' ny mponina eran-tany, no Mozilmana. Araka ny isan-jaton' ny mponina ao amin' ny faritra iray mihevi-tena ho mozilmana, ny 91 % any Atsinanana Afovoany-Afrika Avaratra (anglisy: Middle East-North Africa -- MENA), ny 89 % any Azia Afovoany, 40% any Azia Atsimo-Atsinanana, 31 % any Azia Atsimo, 30 % aty Afrika atsimon' i Sahara, 25% any Azia, 1,4% any Ôseania, 6% any Eorôpa, ary 1% any Amerika.

Ny ankamaroan' ny Mozilmana dia anisan' ny antokom-pinoana roa: Silamo sonita (87–90 %) sy Siita (10–13 %). Na izany aza, misy ny antokom-pinoana hafa any am-paosy, toa ny ibadi (indrindraindrindra ao Ômana). Ny Mozilmana izay tsy anisan' ireo sampana roa ireo, na tsy manondrfo ny tenany ho izany, na tsy azo sokajiana mora foana ao anatin' ny iray amin' ireo sekoly sy sampana islamika fantatra amin' ny anarana hoe silamo tsy misy anaran' antokom-pinoana.