Aller au contenu

Sokajin-teny

Avy amin'i Wikipedia

Atao hoe sokajin-teny ny vondrona misy ny teny afaka mifanolo hisahana anjara asa mitovy am-pehezanteny ao amin’ ny fiteny iray. Mizara ho vondrona roa lehibe ny teny, dia ny reniteny sy ny zanateny. Ny sokajin-teny fahita matetika dia ny anarana, ny matoanteny, ny mpamaritra, ny tambinteny, ny tenim-piontanana, ny mpisolo anarana ary ny mpampitohy. Afaka manana anjara asa hafa tsy araka ny mety mahazatra koa anefa ny teny ao amin’ ny sokajy iray, ohatra ny matoanteny dia azo atao lazaina ao amin' ny fiteny malagasy.

Ireo sokajin-teny fahita matetika

[hanova | hanova ny fango]

Ny sokajin' ny reniteny

[hanova | hanova ny fango]

Ny reniteny dia teny azo sarahina amin' ny namany ka afaka mahaleo tena sady manana hevitra mazava na dia tsy misy teny hafa milaza ny anjara asany, sady tsy natao hilaza ny anjara asan' ny teny hafa koa izy. Sokajin-teny maromaro no voasokajy ho reniteny, dia ny anarana, ny mpamari-toetra, ny tambinteny, ny matoanteny, sns. Miovaova arakaraka ny fiteny ny lisitry ny sokajin-tenin' ny reniteny. Ny mampiavaka ny teny ao amin' ity vondron-tsokajin-teny ity dia izy ireo maro dia maro, manana halava miovaova, azo foronina, azo soloan' ny mpisolo tena ny sasany aminy, azo indramina amin' ny fiteny hafa.

Ny anarana

[hanova | hanova ny fango]

Ny anarana dia teny na andian-teny enti-manondro na milaza zavatra, manana aina na tsy manana aina, hita maso na tsy hita maso, azo tsapain-tanana na tsy azo tsapain-tanana. Mety ho toerana na fotoana na hevitra koa no tondroina amin' ny anarana.

Indreto, ohatra, misy anarana vitsivitsy amin' ny fiteny malagasy: omby, hazo, rivotra, fanahy, alahelo, mpitolona, fihetsika, tsena, takariva, mpihazaka, fampitomboana, demôkrasia, vondrombahoaka, vary amin' anana, soatoavina.

Ny matoanteny

[hanova | hanova ny fango]

Ny matoanteny dia teny ampiasaina ao amin' ny fehezanteny na fehezankevitra hilazana asa na toetra na fifandraisana na fisehoan-javatra ka mety miovaova endrika maneho fotoana, fiendrika, filaza, fanehoan-javatra sns. Matetika izy dia misahana ny anjara asa entimilaza na vara.

Indreto, ohatra, misy matoanteny amin' ny fiteny malagasy: hilahatra, nifampitaona, miarahaba, mampanantena, miasa, avy, tonga, mihomehy, manoratra, nanolo, manameloka.

Ny mpamari-toetra

[hanova | hanova ny fango]

Ny mpamari-toetra dia teny ampiraisina amin' ny anarana na atao entimilaza mba hanambaràna ny toetran' ny zavatra tondroina amin' ilay anarana (olona, biby, zavatra sns) na ny toetran' ny zavatra tondroina amin' ny lazaina. Zana-tsokajin' ny mpamaritra ny mpamari-toetra.

Indreto misy mpamari-toetra amin' ny fiteny malagasy: tsara, mainty, makirana, kizitina, lalina, sariaka, mateza, mando, mijidina, hentitra, velona, malazo, tamana.

Ny tambinteny

[hanova | hanova ny fango]

Ny tambinteny dia teny natao hanova na hanampy hevitra ny teny na andian-teny hafa toy ny matoanteny, ny mpamari-toetra, ny tambinteny hafa, ny mpampiankin-teny, ny fehezankevitra, ny fehezanteny sns ka ny hevitra ambarany amin' izany dia ny fomba, ny toerana, ny fotoana, ny fahatetehana, ny hamafy, ny antoka, sns. Marihina fa misy sokajin-tambinteny vitsy singa izay voasokajy ho zanateny.

Indreto misy ohatra tambinteny amin' ny fiteny frantsay: merveilleusement, beaucoup, comment, oui, non, bien, jamais, vite, fermement.

Ny zanateny

[hanova | hanova ny fango]

Ny zanateny dia teny tsy azo sarahina amin' ny namany ka tsy afaka mahaleo tena sady atao hilazana ny anjara asan' ny teny hafa na natao hampifandraisana teny roa samy hafa ao anaty tarika na fehezankevitra na fehezanteny. Sokajin-teny maromaro no sokajina ho zanateny, dia ny mpampitohy, ny mpampiankina, ny mpisolo, ny mpanoritra, sns. Miovaova arakaraka ny fiteny sy ny hevitry ny mpahay teny ny lisitry ny sokajin-tenin' ny zanateny.

Miavaka ny zanateny noho izy ireo voafetra isa, sarotra miforona, miasa matetika kokoa ary manana hevitra tsy mazava tsara ny ankamaroany, tsy azo soloana amin' ny mpisolo, matetika izy ireo no teny fohy sy tokana anjara asa ary mifangaro amin' ny teny iatsoana ny anjara asany indraindray ny anarany.

Ny mpanoritra

[hanova | hanova ny fango]

Amin' ny fiteny ahitana azy, ny mpanoritra dia teny akambana indrindraindrindra amin' ny anarana mba hahatonga ity farany ho azo ampiasaina anaty fehezanteny ka hahalalana na fantatra na tsia, na efa noresahina na tsia, na efa azo eritreritra na tsia, ny zavatra tondroina amin' io anarana io. Ny mpanoritra dia ampiasaina koa mba hanehoana fa singan-javatra manokana na sokajin-javatra ankapobeny no tondroina amin' ilay teny ikambanany.

Tsy ny fiteny rehetra no manana mpanoritra sady miovaova ny isan' ny zana-tsokajin' ny mpanoritra arakaraka ny fiteny. Ny fiteny rosiana, ohatra, dia tsy manana mpanoritra.

Ohatra:

Mpanoritra amin' ny fiteny malagasy: ny, ilay, i, Ra-.

Mpanoritra amin' ny fiteny frantsay: le, la, les, un, une, des.

Mpanoritra amin' ny fiteny anglisy: the, a, an.

Ny zanateny mpamaritra

[hanova | hanova ny fango]

Ny zanateny mpamaritra dia teny akambana amin' ny anarana ao amin' ny tarika iray mba hahafahana mampiasa io anarana io ao anaty fehezanteny ka mety miaraka amin' ny fanondroana ny kilahivavy, ny lahara-mpandray anjara am-pehezanteny, ny filaza isa sns izy. Anisan' ny zanateny mpamaritra ny mpamaritra isa, ny mpamaritra manondro, ny mpamaritra manontany, ny mpamaritra mampifandray ary ny mpamaritra tompon-javatra.

Ohatra:

Mpamaritra amin' ny fiteny frantsay: mon, cet, quel, deux.

Mpamaritra amin' ny fiteny anglisy: my, this, what, two, which.

Ny mpisolo

[hanova | hanova ny fango]

Ny mpisolo dia teny maka ny toeran' ny anarana na ny tarika anarana na ny fehezankevitra na fehezanteny iray manontolo koa. Isan' ny sokajin' ny mpisolo ny mpisolo tena, ny mpisolo manondro, ny mpisolo manontany, ny mpisolo mampifandray, ny mpisolo tompon-javatra, sns.

Ohatra:

Mpisolo amin' ny fiteny malagasy: izaho, aho, iza, izy, ahy, io, izay.

Mpisolo amin' ny fiteny frantsay: je, me, moi, mien, ceci, dont, nous, vous, on.

Mpisolo amin' ny fiteny anglisy: we, us, yours, you, this, who.

Ny mpampitohy

[hanova | hanova ny fango]

Ny mpampitohy dia teny mampifandray teny na andian-teny roa na maro ao amin' ny andian-teny lehibe kokoa na ny fehezankevitra na ny fehezanteny iray. Misy karazany roa ny mpampitohy, dia ny mpampitohy teny sy ny mpampitohy fehezankevitra. Ny mpampitohy teny dia teny enti-mampitohy teny na andian-teny roa na maromaro mitovy anjara asa (sady matetika mitovy sokajy) ao amin' ny andian-teny lehibe kokoa na fehezanteny na fehezankevitra. Ny mpampitohy fehezankevitra sasany, izay teny tsy natao hampitohy afa-tsy fehezankevitra, sady milaza ny fifampiakinana misy eo amin' ireo fehezankevitra ireo, dia atao hoe mpampiankina fehezankevitra.

Ohatra:

Mpampitohy amin' ny fiteny malagasy: sy, ary, nefa, na, sa, satria.

Mpampitohy amin' ny fiteny frantsay: et, ou, mais, or, car, ni, parce que, lorsque.

Mpampitohy amin' ny fiteny anglisy: and, or, but, because, while.

Ny mpampiakina

[hanova | hanova ny fango]

Ny mpampiankina dia teny na andian-teny fohy izay ampiasaina hampifandraisana teny na fehezankevitra roa mba hanehoana ny fifampiankinan' izy ireo ara-pifehezan-teny sy ara-keviteny, nefa izy ireo tsy mitovy anjara asa. Ny fehezankevitra ampidirin' ny mpampiakina (fehezankevitra miankina) dia matetika mitana anjara asa fameno milaza antony na vokany na tanjona na fepetra sns. Raha teny no ampiraisina amin' ny alalan' ny mpampiankina dia atao hoe mpampiankin-teny ilay mpampiankina, fa raha fehezankevitra kosa dia atao hoe mpampiankina fehezankevitra ilay mpampiankina.

Ohatra:

Mpampiankina amin' ny fiteny malagasy: amy, amina, ana.

Mpampiankina amin' ny fiteny frantsay: de, avec, pour, contre, vers, hors, par.

Ny kianteny

[hanova | hanova ny fango]

Ny kianteny dia teny kely tsy miova endrika, manana anjara asa tsy mitovy amin' ny an' ny tambinteny na ny mpampiankina na ny mpampitohy. Ny fiteny tsirairay dia samy manana ny kianteniny ary ny mpahay teny tsirairay dia samy manana ny zavatra ao amin' ny fiteny iray izay ataony hoe kianteny.

Ohatra:

Kianteny amin' ny fiteny malagasy: dia, ka, no.

Olan' ny fanasokajiana ho reniteny na zanateny

[hanova | hanova ny fango]

Misy ny teny sarotra sokajina ho reniteny na zanateny. Isan' izany ny tenim-piontanana.

Ny tenim-piontanana

[hanova | hanova ny fango]

Ny tenim-piontanana dia teny azo ampiasaina mitokana mba hanehoana fihetseham-po (vokatry ny hafaliana, ny hatezerana, ny alahelo, ny fahatairana, ny fanaintainana sns), na hampitana hafatra amin' ny fomba tsy ampiasana teny maro (fiarahabana, fanekena, fandavana, fisalasalana, fonontaniana, baiko sns), na hakana tahaka feon-javatra (feom-biby, fipoahana sns).

Ohatra:

Tenim-piontanana amin' ny fiteny malagasy: indrisy, oadray, hanky.

Tenim-piontanana amin' ny fiteny frantsay: oh, eh, ho, helas.

Ny sokajin-teny ao amin' ny fiteny sasany

[hanova | hanova ny fango]

Tsy ary ho voateny eto daholo ny fiteny rehetra misy eran' izao tontolo izao fa ny vitsivitsy ihany amin' ireo no hasian-teny eto.

Ny sokajin-teny ao amin' ny fiteny malagasy

[hanova | hanova ny fango]

Ao amin’ ny fiteny malagasy, ohatra, dia ahitana ireto sokajin-teny ireto:

Ny sokajin-teny ao amin'ny fiteny frantsay

[hanova | hanova ny fango]

Ao amin’ny fiteny frantsay, ohatra, dia ahitana:

  • ny anarana (oh.: riz "vary", terre "tany"),
  • ny mpamaritra (oh.: bon "tsara", mon "-ko", ce "ity"),
  • ny mpisolo (oh.: je "izaho", qui "izay", (le) mien "(ny) ahy"),
  • ny matoanteny (oh.: chantons "mihira/mihirà", poussait "nanosika", arrivé "tonga"),
  • ny mpampitohy teny (oh.: et "sy", mais "nefa", car "fa"),
  • ny mpampiankina fehezanteny (oh.: parce que "satria", si bien que "hany ka", si "raha"),
  • ny tambinteny (oh.: vraiment "tokoa", notamment "indrindra"),
  • ny tenim-piontanana (oh.: hélas "indrisy") sns.

Ny tsy fitoviana misy eo amin' ny fiteny samihafa

[hanova | hanova ny fango]

Fizaràn' ny sokajin-teny

[hanova | hanova ny fango]

Ny sokajin-teny tsirairay dia mety hahitana fizaràny roa na maro, arakaraka ny fiteny sy ny mpahay teny na mpanao fitsipiteny. Ireto misy ohatra ny amin’ izany ao amin’ ny fiteny malagasy: ny sokajin’ ny mpamaritra dia mizara ka ahitana ny mpamaritra milaza toetra (oh.: tsara, mainty, mafana), ny mpamaritra isa (oh.: roa, fahefatra), ny mpamaritra manondro (oh.: itsy, io, izany) sns. Ny sokajy anarana dia mizara roa ka ahitana ny anarana iombonana (oh.: kisoa, trano, sakafo) sy ny anaran-tsamirery (oh.: Rakoto, Rasoa, John, Antananarivo).

Fifandraisan' ny sokajin-teny ao amin' ny fiteny samy hafa

[hanova | hanova ny fango]

Ny teny iray ao amin’ ny sokajy iray ao amin’ ny fiteny iray dia mety tsy hahitana izay teny mitovy hevitra sy sokajy aminy ao amin’ ny fiteny iray hafa. Raisina ohatra amin’ izany ny tambinteny frantsay hoe vite izay tsy misy teny malagasy sady mitovy hevitra no mitovy sokajy aminy fa ny mpamari-toetra hoe haingana na faingana no mitovy hevitra aminy. Maro amin’ ny mpampiankin-teny ao amin’ ny fiteny frantsay no tsy misy teny tokana mitovy hevitra aminy fa matoanteny na andian-teny ahitana mpisolo toerana arahina mpamaritra milaza toetra matetika no ampiasaina (oh.: fr.: devant = mg.: manoloana; fr.: sur = mg.: eo ambony). Ny teny hoe ici dia tambinteny ao amin’ ny fitsipi-pitenenana frantsay nefa ny hoe eto, izay mitovy hevitra aminy, dia voasokajy ho mpisolo toerana ao amin' ny fiteny malagasy.

Tsy fisian' ny sokanjin-teny sasany amin' ny fiteny iray

[hanova | hanova ny fango]

Tsy voatery hisy amin’ ny fiteny rehetra eran’ izao tontolo izao ny sokajin-teny rehetra. Ny fiteny latina dia tsy ahitana mpanoritra. Ohatra: Cicada cantavit (ara-bakiteny: Jorery nihira = "Naneno ny jorery"). Ny fiteny malagasy dia tsy ahitana ny atao hoe mpanoritra tsy voafaritra nefa ny fiteny frantsay ahitana izany (oh.: un, une, des).

Tsy fitovian' ny isan' ny teny ao amin' ny sokajin-teny iray arakaraka ny fiteny

[hanova | hanova ny fango]

Tsy voatery hitovy ny isan’ ny teny ao amin’ ny sokajy iray ao amin’ ny fiteny roa samy hafa. Maro dia maro ao amin’ ny fiteny malagasy ny mpisolo manondro raha ampitahaina amin’ ny teny mitovy sokajy aminy ao amin’ ny fiteny frantsay na ny fiteny anglisy. Raha ny fiteny frantsay tsy ahitana afa-tsy ny hoe ce sy cette ary ces, ny fiteny malagasy kosa manana ny hoe ity, ireto, izato, io, ireo, iny, ireny, ito, ireto, izany, irý, irerý sns.

Tsy fitovian' ny anjara asan' ny teny ho an' ny sokajin-teny mitovy ao amin' ny fiteny roa

[hanova | hanova ny fango]

Tsy voatery hitovy ny anjara asan’ ny teny mitovy anaran-tsokajy ao amin’ ny fehezanteny ao amin’ ny fiteny roa samy hafa. Ny sokajin-teny matoanteny ihany no azo atao entimilaza na afaka mampanjary entimilaza ny teny na andian-teny miaraka aminy ao amin’ ny fehezanteny frantsay na anglisy. Ny mpamaritra sy ny anarana ary ny mpisolo anefa dia samy azo atao entimilaza tsy misy matoanteny (mpanampy) ao amin’ ny fiteny malagasy.

Ohatra, ao amin' ny hoe: Matory ilay saka - Mena ny masony - Kisoa ireny - Io izy, dia matoanteny ny hoe matory, mpamaritra ny hoe mena, anarana ny hoe kisoa, ary mpisolo ny hoe io, nefa samy misahana ny anjara asa entimilaza.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]