Aller au contenu

Jeremia (mpaminany)

Avy amin'i Wikipedia
Manoratra eo amin' ny sisam-pirodanan' i Jerosalema i Jeremia, sary nataon' i Horace Vernet, taona 1844.

I Jeremia dia mpaminany tao amin' ny Fanjakan' i Jodà izay heverina, araka ny lovantsofina, fa nanoratra ny Bokin' i Jeremia ao amin' ny Tanakh na ny Testamenta Taloha ao amin' ny Baiboly. Teraka tokony ho tamin' ny taona 650 tal. J.K. tao akaikin' i Jerosalema i Jeremia. Atao hoe יִרְמְיָהוּ / Yirmeyāhū i Jeremia amin' ny teny hebreo; izany anarana izany dia midika hoe "Manandratra i Yahu (i Iahveh)".

Mbola tanora izy no nantsoin' Andriamanitra hitondra ny teniny, mety mbola tsy ampy 20 taona, tamin' ny andron' ny mpanjaka Jôsia. Fotoan' ady teo amin' ny firenena maro ny andro niainan' i Jeremia satria ny fanjakan-dehibe vaovao dia niezaka nandresy ireo taloha.

Nampitandrina ny mpanjakan' i Jodà samihafa i Jeremia talohan' ny fandravana an' i Jodà sy ny faharesen' i Jerosalema nefa nolazain' ny olona fa mpamadika. Noho izany dia nisy fotoana nanaovana azy an-tranomaizina. Niaritra fahoriana i Jeremia nefa nanamafy ny fifaneraserany tamin' Andriamanitra izany. Nitaraina amin' Andriamanitra ny amin' izany fahasahiranany izany i Jeremia ka izany no nivoahan' ilay atao hoe "Fanekem-pinoan' i Jeremia".

Nanatrika ny faharavan' ny Fanjakan' i Jodà sy ny fandoroana ny Tempoly ary ny fanaovana sesitany ny ampahany amin' ny mponin' i Jerosalema koa izy. Tapitra tamin' izany ny maha firenena afaka an' i Jodà satria azon' i Babilônia.

Nisafidy ny hitoetra tao Palestina i Jeremia fa tsy tany Babilôna nandritra ny fotoan' ny Fahababoana nefa noho ilay Kaldeana solontenan' ny fanjakana babilôniana nisy namono tao Jerosalema dia niaraka tamin' ireo izay nandositra tany Egipta izy ka tany no nanohizany ny asany ary tany koa no mety nahafatesany.

Ny nanoratra ny boky, araka ny lovantsofina

[hanova | hanova ny fango]

Araka ny lovantsofina jiosy dia nanoratra boky ny mpaminany Jeremia, dia ny Bokin' i Jeremia sy ny Bokin' ny Mpanjaka ary ny Bokin' ny Fitomaniana, ka i Baroka zanak' i Nerià, izay mpanoratra no sady mpianany, no nanampy azy tamin' ny fanoratana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]