Aller au contenu

Wikipedia:Takelaka

Avy amin'i Wikipedia

Ho an'ny fandrindràna sy ho an'ny fikojakojàna ny lahatsoratra miseho eo amin'ny Takelak'ity volana ity eo amin'ny pejy fandraisana ny wikipedia malagasy ity pejy ity. Miova ho azy isam-bolana ny lahatsoratra aseho eo amin'ny pejy fandraisana.

Fomba fandehanany

Voa antso amin'ny kaody {{Wikipedia:Takelaka/{{CURRENTMONTH}} {{CURRENTYEAR}} }} ny lahatsoratra misy ato. Eto ambany ny lahatsoratra miseho eo amin'ny pejy fandraisana ankehitriny.

Volana faha 11 2024 isika amin'izao tontolo izao, ary ity ny paramètre miasa ankehitriny : 11 2024


2009 | 2010 | 2011 | 2012 | 2013 | 2014 | 2015 | 2016 | 2017 | 2018 | 2019 | 2020 | 2021 | 2022 | 2023 | 2024 | 2025 | 2026 | 2026 | 2027 | 2028 | 2029

11 2024

Fasana antanosy manamorona ny lalana avy any Tolagnaro mankany Amboasary Atsimo

Ny Antanosy na Tanosy dia vondrom-poko ao amin' ny tendro atsimo-atsinanan' i Madagasikara dia ny faritra Anosy izany izay misy an' i Taolagnaro, eo anelanelan' i Masianaka sy Mandrare no misy azy betsaka indrindra, nefa ahitana azy koa ny tanàna toa an' i Bezaha sy Vatolatsaka (ao amin' ny distrikan' i Betioky-Atsimo) ary any Bereketa (distrikan' i Sakaraha) any amin' ny faritra Atsimo-Andrefana. I Taolagnaro no tanan-dehiben' izy ireo. Ny Antanosy mipetraka any Bezaha sy ny manodidina, dia nifindra any taorian' ny nandresen' ny Merina an' Anosy. Tombanana ho 360 000 ny Antanosy tamin' ny taona 2013.

Ao amin' ny Faritra Anosy ao atsimo-atsinanan' i Madagasikara no tena fonenan' izy ireo, na dia eo aza ny Antanosy mipetraka any Bezaha sy ny manodidina, izay nifindran' ny sasany tamin' ireo Antanosy taorian' ny nandresen' ny Merina an' Anosy.
Lehilahy antanosy teo anelanelan' ny taona 1900 sy 1910.

Tamin' ny taonjato faha-19 ny Antanosy dia nibodo ny ampahan-tanin' ny Mahafaly sy ny an' ny Bara, hatrany amin' ny reniranon' i Onilahy any atsimo-andrefana, noho ny fahaiza-manaony. Izany fifindrà-monina izany dia vokatry ny fahatongavan' ny tafika merina tany Anosy[1].

Niisa 360 000 any ho any ny Antanosy tamin' ny taona 2013[2]. 2 % n' ny vahoaka malagasy eo ho eo ny Antanosy, ka isan' ireo vondrom-poko madinika eto Madagasikara amin' ny isan' ny mponina sy amin' ny velaran' ny tany nonenan' ny razany[3].
Mpiady antanosy tamin' ny taona 1908 any ho any
Ny razamben' ny Antanosy ankehitriny dia nifindra monina avy any avaratra tokony ho 150–200 taona lasa izay. (tohiny...)

Ny takelaka efa niseho ary ny takelaka hiseho

1 2024

Fasan-dakan' Andriamangarira, miloloha « Tranomasina » ao anaty Rovan' Antsahadinta

Andriamangarira dia mpanjaka nanorina an'Antsahadinta tamin’ny taona 1725. Teraka tao Ambohitrontsy tamin’ny taona 1695 izy ary niamboho sy nafenina tao Antsahadinta tamin’ny taona 1775 teo amin’ny faha-80 taonany. Andriandambozozoro no rainy ary Rasohanamanjaka no reniny, izay samy Andriamasinavalona. Andriambolamena zanany lahiaivo no nandimby azy nanjaka tao Antsahadinta rehefa niamboho izy. Nanambady maro Andriamangarira fa Ratoeboahangy vady navelan' Andriamalama tao Isoanangano, izay maty tanora, sady vady loloha no niterahany 3 mianadahy: dia Ramakilahy sy Andriambolamena ary Rahanivofotsimanjaka.

Ny loharano nipoiran'Andriamangarira

Ity fehezan-tantara ity dia mikasika ny zava-niseho nanomboka tamin'ny andro nanjakan' Andriamasinavalona (1675-1710) teto Ankibonimerina. Zanaka lahiaivon'ny mpanjaka Andriantsimitoviaminandriandehibe (1650-1670) izy, ary nanana anabavy maro sy rahalahy iray ray sy reny aminy. Ny anabavy iray atao hoe Ravololondrenitrimo tao Ambohimiakoja dia niteraka telo (3) mianadahy:

  • Andriandambozozoro tao Malaza sy Ivatobe avaratra;
  • Andrianjakatrimo tao Ivatobe atsimo;
  • Razafindrahety tao Tangaina, samy amin'ny faritr'Ambodirano Imerinatsimo iny izany.

Araka ny tantara sy ny lovan-tsofina dia ity andriandahy atao hoe Andriandambozozoro, izay andriana nifehy an'Ivatobe, Androhibe, Ambohitrontsy, Malaza sy ny manodidina dia naka vady ny zanakavavin'Andriamasinavalona izay napetrany ho andriantompombodivona, masoivoham-panjakana foibe tao Ambohimahamanina.

(tohiny...)

2 2024

Fenisia na Foinikia (miloko maitso)

Ny Fenisiana na Foinikiana dia vahoaka tamin' ny Andro Taloha niainga tao amin' ireo tanànan' i Fenisia na Foinikia, faritra mifanitsy amin' i Libàna ankehitriny. Io anarana io dia avy amin' ny mpanoratra grika nanoratra momba azy ireo. Nizarazara foana tamin' ny tanàna maromaro i Fenisia, ny lehibe indrindra dia i Biblôsy, i Sidôna (Sayda), i Tirôsy na Tiro (Sour) ary i Arvada, ary tsy fantatra raha nahatsapa ho firaisana ireo tanàna ireo. Nampiasa ny teny hoe "Fenisiana" ny mpahay tantara mba hilazana ny sivilizasiôna izay niroborobo tao amin’ ilay faritra teo anelanelan' ny taona 1200 sy 300 tal. J.K.

Ny fototry ny sivilizasiôna fenisiana dia ao amin' ny kolontsaina samihafa any amin' ny morontsirak' i Mediteranea any Atsinanana Akaiky, nanomboka tamin' ny taonarivo faha-2 tal. J.K. Ny tanàna rehetra tany amin' ny faritra hantsoina hoe Fenisia aty aoriana dia efa nisy. Renivohitry ny fanjakana kely maromaro mahaleo tena, nefa mifandray amin’ ny alalan' ny fiteny sy finoana iraisana sasany, ireo tanàna ireo, izay tanàna lehibe momba ny varotra, ary manana kolontsaina iray izay nolovain' ny Fenisiana mivantana. Taorian' ny korontana nihatra tamin' ny Atsinanana Afovoany tamin' ny taona 1200 tal. J.K., dia nisy vanim-potoana vaovao nisokatra ho azy ireo. Afaka tamin' ny fiahian' ny firenena matanjaka taloha izay nifehy azy ireo tanàna ireo (ny Empira Egiptiana Vaovao, ny Empira Hitita), nisy fotoana nahazoan' izy ireo fizakan-tena izay nahafahan' izy ireo nanitatra be ny tambajotra ara-barotra, avy eo nahafahan' izy ireo nanomboka nanao fanitaran-tany tao amin' ny morontsiraky ny Ranomasina Mediteranea. Ny Fenisiana mpifindra monina dia nanorina tanàna tamin' ny toerana samihafa tany Kiprôsy (na Sipra), tany Sicilia, tany Sardinia, tany Kôrsa, tany amin' ny Saikanosy Iberika, tany Grisia (Torkia ankehitriny) ary tao Afrika Avaratra.

Nanomboka tamin' ny taonjato faha-8 tal. J.K., ireo tanàna fenisianina ireo dia very fahaleovan-tena, ka nifandimby nofehezin’ ny Asiriana, ny Babilôniana, ny Persiana, ny Makedôniana (Lagida sy Seleokida), avy eo ny Rômana. Na izany aza dia nitazona ny lanjany amin' ny lafiny varotra izy ireo ary nanohy ny fanitarana azy. Nandritra izany fotoana izany, ny tanàna fenisianina any amin' ny tapany andrefan' ny Ranomasina Mediteranea dia lasa teo ambany fifehezan' ny mahery indrindra tamin' izy ireo, dia i Kartago (na Kartazy), tranga iray izay nitarika ny famoronana sivilizasiôna manokana, antsoina hoe "kartaziniana" na "ponika". Nandray singa avy amin' ny kolontsaina berbera teratany sy niaina ny fivoarany manokana i Kartago, izay karazana tandrefana amin' ny sivilizasiôna fenisiana. Nirodana anefa izany teo anatrehan’ ny fanitaran-tany nataon' ny Rômana tamin’ ny taonjato faha-2 tal. J.K., taorian’ ny Ady Ponika maro. Na tany Fenisia na tany Afrika Avaratra, ny kolontsaina isan-toerana dia nitazona endrika manokana hatramin' ny taonjato voalohany taor. J.K.

(tohiny...)

3 2024

Ny Empira Mpanjanaka Frantsay: ny voalohany (manga tanora) sy ny faharoa (manga antitra).

Ny Empira Mpanjanaka Frantsay dia fitambaran' ny zanatany, ny prôtektôrata, ny fizaràn-tany nanendrena ho tantanana ary ny fizaràn-tany rehetra izay teo ambany fiahiana, izay nofehezin' ny Frantsay na notantanany. Nanomboka tamin’ ny taonjato faha-16 izany, ary nivoatra amin' ny fomba tsy mitovy rehefa nandeha ny fotoana, teo amin’ ny habeny na ny mponina ao aminy na ny harenany.

Amin' ny ankapobeny dia vanim-potoana roa lehibe no azo avahana, ka ny manasaraka izany dia ny Ady Fito Taona sy ny Revôlisiôna Frantsay sy ny vanim-potoanan' i Napoléon, fizaràm-potoana nahaverezan' i Frantsa saika ny fitambaran' ny fandraharaham-panjanahantany voalohany.

Zanatany frantsay tany Amerika nandritrany Empira voalohany

Ny Empira Mpanjanaka Frantsay voalohany, izay niforona tamin' ny taonjato faha-16, dia nahitana ny fizaràn-tany maro any Amerika Avaratra, ny nosy Antilia sasany, ireo nosy Maskareina ary zanatany any India sy aty Afrika. Ny Ady Fito Taona dia niafara amin' ny fahaverezan' ny ampahany betsaka amin' ny fizarà-tanin' ny mpanjanaka frantsay izay lasan' i Britaina Lehibe (Nouvelle-France sy ny tany India). Tafavoaka velona ny Empira Mpanjanaka Frantsay na dia teo aza izany rehetra izany ary nahita firoboroboana noho ny fanondranana kafe avy any Antilia (Saint-Domingue, Martinique, Guadeloupe) ary indrindra ny siramamy teo anelanelan’ ny taona 1763 sy ny faran' ny taompolo 1780. Nirodana tampoka anefa izy io ka saika nanjavona tanteraka taorian' ny vanim-potoanana napôleôniana (ohatra, ny fivarotana an' i Louisiana).

Zanatany frantsay nandritra ny Empitra faharoa

Ny Empira Faharoa, izay naorina tamin' ny taompolo 1830, dia ahitana indrindra ny faritra maro aty Afrika maro azo avy amin' ny tobim-barotra tranainy, ary koa any Azia (any Indôsina sy any Ampiposahana) ary any Ôseania (Pôlinezia Frantsay, Nouvelle-Calédonie, Nouvelles-Hebrides). Nandritra ny tapany faharoa amin' ny taonjato faha-19 sy nandritra ny taonjato faha-20, ity empira mpanjanaka faharoa ity no faharoa lehibe indrindra teto an-tany, aorian' ny Empira Mpanjanaka Britanika raha amin' ny lafiny veleran-tany. Hita teo amin' ny kôntinenta rehetra ity empira mpanjanaka ity, izay niitatra tamin' ny fara tampony, nanomboka tamin' ny taona 1919 ka hatramin' ny 1939, maherin' ny 12 347 000 km2, izay nisy mponina 68 690 000 tamin' ny taona 1939, kely lavitra hoho ny Empira Britanika izay nahitana an' i India irery nisy mponina 330 000 000 tamin' io fotoana io ihany. Nahatratra 12 898 000 km2 ny velaran' ny Empira Frantsay teo ambany fiandrianam-pirenena frantsay, anisan' izany i Frantsa.

(tohiny...)

4 2024

Ahidambo

Ny ahidambo dia bozaka maniry mandavan-taona, manindrona amin' ny alalan' ny voniny rehefa antitra, sady mipetaka amin'ny lamba izany voniny izany, maniry amin'ny faritra manana toetanin-jana-pehin-tany eto amin' izao tontolo izao. Ao amin' ny fianakaviana Poaceae no misy azy. Heteropogon contortus na Andropogon contortus no anarany ara-tsiansa. Izy no tena fahita betsaka ao amin' ny fatrana aty Madagasikara, atao hoe danga.

Ity bozaka ity dia mamorona vondrona mahatratra 75 ka hatramin' ny 120 sm eo ho eo rehefa mamony. Mitsangana sy manify ary tsotra (na misy rantsana iray na roa) ny tahony. Ny ravina dia mifandimby, 2-5 mm ny sakany ary hatramin' ny 15 sm ny halavany. Ny kambin-tsikiny dia misy tsibolo. Ny raviny ambony dia matetika no manarona ny fototry ny sofim-boany. Ny fototra ahidambo iray dia mitondra sofim-boany iray na vitsivitsy. Ny sofim-boany tsirairay, izay tery sy miendrika varingarina, dia mirefy 3 hatramin'ny 7 sm raha tsy isaina ny volony. Amin' ny fahamasahany, ny voan' ny ahidambo, ny fonony, ny volony, ny tsilony ary ny raviny dia mitambatra boribory ka entin' ny rivotra na miraikira amin' ny volom-biby na amin' ny lamban' ny olona. Ny voan' ny ahidambo dia voamadinika. (tohiny...)

5 2024

Rajoelina Andry, avy amin' ny anarany feno Rajoelina, Andry Nirina dia mpanao pôlitika manam-piaviana malagasy, mizaka ny zom-pirenena frantsay[4], izay filohan' i Madagasikara nanomboka tamin' ny taona 2019. Teraka tamin' ny 30 Mey 1974 izy. Nitantana ny Tetezamita izy hatramin' ny taona 2009 ka hatramin' ny 2014 taorian' ny krizy pôlitika sy fanonganam-panjakana notohanan' ny miaramila izy[5].

Talohan' ny nidiran-dRajoelina tamin' ny pôlitika dia nirotsaka tamin' ny fandraharahana teo amin' ny sehatra tsy miankina i Rajoelina, anisan' izany ny orinasa mpanao pirinty sy dokam-barotra antsoina hoe Injet tamin' ny taona 1999 sy ny tambajotran' ny radiô sy fahitalavitra Viva tamin' ny taona 2007.

Izy no nanangana ny antoko politika Tanora Gasy Vonona (TGV) ary lany ho ben' ny tanànan' Antananarivo nandritra ny herintaona, nanomboka tamin' ny 12 Desambra hatramin' ny 3 Febroary 2009 mialoha ny namindrany ny fahefana amin' i Michèle Ratsivalaka izay nosoloina koa an' i Edgard Razafindravahy avy any Ambohimalaza toa an' i Rajoelina.

Nandritra izany dia nitarika ny hetsika nanoherana ny filoha Marc Ravalomanana izay ka niafara tamin' ny krizy pôlitika tamin' ny taona 2009 izany. Notendren' ny filankevitra miaramila ho filohan' ny Fahefana Avon' ny Tetezamita (FAT) i Rajoelina, tamin' ny alalan' ny hetsika izay nosokajin' ny fianakaviambe iraisam-pirenena ho fanonganam-panjakana. Nanao fianianana amin' ny maha filohan' ny Tetezamita azy izy tamin' ny 21 Marsa 2009 na dia tsy nankatoavin' ny fianakaviam-be iraisam-pirenena aza izany.

Noravan-dRajoelina ny Antenimieran-doholona sy ny Antenimieram-pirenena, ary namindra ny fahefan' izy ireo tamin' ny rafitra vaovao isan-karazany miandraikitra ny fanaraha-maso ny tetezamita mankany amin' ny fahefana vaovao manaja ny lalàmpanorenana. Nifanohitra tamin' ny dingana nateraky ny fanelanelanana iraisam-pirenena izay nikendry ny hananganana governemanta tetezamita izany. Nankatoavin' ny mpifidy ny lalàmpanorenana vaovao tamin' ny fitsapan-kevi-bahoaka nahabe resaka tamin' ny Nôvambra 2010, izay nampiditra an' i Madagasikara ao amin' ny Repoblika fahefatra. Nitana ny maha filohan' ny FAT azy hatramin' ny fifidianana solombavambahoaka tamin' ny taona 2013 i Andry Rajoelina ka tsy nametra-pialana raha tsy tamin' ny taona 2014. Nandrombaka ny fifidianana filoham-pirenena tamin' ny taona 2018 izy ary nanao fianianana ho filohan' i Madagasikara tamin' ny 19 Janoary 2019.

Tafiditra tao anatin' ny fe-potoam-piasany ny valanaretina Covid-19 teto Madagasikara, izay nampielezany vaovao diso sy nampandrosoany fitsaboana tsy voaporofo momba ity aretina ity. Namely ny firenena  koa ny krizy ara-tsakafo tamin' ny 2021 sy ny rivodoza Batsirai. (tohiny...)

6 2024

Sora-tsikidy 16

Ny sora-tsikidy, ao amin' ny fisikidiana, dia ny endrika alain' ny tsanganan-tsikidy na andalan-tsikidy arakaraka ny filaharana sy ny isan' ny voan-tsikidy mamorona azy. Samy manana ny anarany ny sora-tsikidy tsirairay araka ny isa sy ny fipetraky ny voa ao aminy. Izany dia tsy miankina amin' ny toerana misy ilay tsanganana na andalana ao amin' ny fàfana.

Marika voalohany ampiasaina amin' ny fisikidiana, izay fanao efa tamin' ny Andro Taloha, ny sora-tsikidy 16. Misy andalana efatra maneho ny singa klasika ny sora-tsikidy tsirairay ary azo adika amin' ny fomba sy fanontaniana samihafa. Avy any Atsinanana Afovoany ny sikidy izay nampidirina tany Eorôpa tamin' ny Andro Antenatenany, izay nahazoany heviny ara-panandroana sy fandikana vaovao isan-karazany. Misy fitoviana ivelany amin' ny ba gua, izay lahatelo miisa valo ao amin' ny I Ching (lahatsoratra klasika sinoa), ireo sora-tsikidy ireo.

Manana anaran-toetra sy dikany miavaka ny sora-tsikidy tsirairay. Ny sora-tsikidy dia sokajina araka ny toetra ananany toy ny fahamarinan-toerana na ny fihetsiketsehana, ny tsy fitanilana na ny fiangarana, ary ny fidira na ny fivoahana. Manome fahasamihafana kely amin' ny fadikana ireo fanasokajiana ireo. Mifandray amin' ny "singa efatra" sy ny famantaran' ny zôdiaka, ny planeta ary ny fizaràn' ny vatana ireo sora-tsikidy ireo. Azo ampiarahina arakaraka ny toetrany izy ireo. Ny fifandraisana ara-panandroana misy eo amin' ireo sora-tsikidy ireo, izay nampidirina tao Eorôpa, dia vao mainka nampitombo ny heviny sy ny fifandraisan' izy samy izy.

(tohiny...)

7 2024

I Etazonia dia firenena any Amerika Avaratra izay mizara ho fanjakana mizakatena (states) dimampolo sy distrika federaly iray ary fizaràn-tany ivelany (territory) efatra ambin' ny folo foronina nosy miparitaka manerana ny Ranomasina Karaiba sy ny Ranomasimbe Pasifika. Ny 48 amin' ny fanjakana 50 no mifanila sady mandrafitra ny "Renitany" (anglisy: Mainland), izay faritan' ny Ranomasimbe Atlantika any atsinanana, ny Hoalan' i Meksika any atsimo-atsinanana ary ny Ranomasimbe Pasifika any andrefana, ary mifanefitra amin' i Kanada any avararta sy amin' i Meksika any atsimo-andrefana. Ny fanjakana roa tsy ao anatin' ny Tanibe dia i Alaska, ao avaratra-andrefan' i Kanada, ary ny vondronosy Hawaii, vondronosy ao amin' ny tapany avaratry ny Ranomasimbe Pasifika. Atao amin' ny teny anglisy hoe United States, United States of America, US, USA na America ity firenena ity.

Ny renivohitra federaly, Washington, dia ao amin' ny Distrikan' i Columbia, faritra iray mihidy ao amin' ilay firenena, fa ivelan' ny fanjakana dimampolo. Mampihatra rafitra ara-pôlitika repoblika sady fanjakana federaly misy rafi-pitondrana ananan' ny filoham-pirenena fahefana betsaka i Etazonia. Tsy misy ny fiteny ôfisialy any Etazonia na dia amin' ny fiteny anglisy amerikana aza ny fitenin' ny firenena

Manana velarana 9,8 tapitrisa km2 io firenena io, ka izany no mahatonga azy, arakaraka ny mason-tsivana, ho firenena fahatelo na fahefatra maneran-tany amin' ny velaran-tany, aorian' i Rosia sy i Kanada ary i Sina. Tamin' ny taona 2020 i Etazonia dia nisy mponina eo amin' ny 331 tapitrisa eo ho eo, izay nametraka azy ho firenena fahatelo eran-tany amin'ny habetsahan' ny mponina, aorian' i Sina sy i India.Mitombo ny mponina amerikana noho ny fifandanjana voajanahary miabo sy ny fifindra-monina. Ny mponina ao Etazonia dia fitambarana foko (firenena niaviana) samihafa noho ny fifindra-monina taloha isan-karazany.

Ny jeôgrafia sy ny toetany ao amin' ilay firenena dia tena samihafa, fonenan' ny zavamaniry sy biby isan-karazany, ka mahatonga an' i Etazonia ho isan' ireo firenena 17 manana karazana zavaboary betsaka dia betsaka eto amin' izao tontolo izao.

Talohan' ny fizahana ny tany nataon' ny Eorôpeana sy sy nahazoana an' i Etazonia, dia ny Amerindiana, izay nifindra monina avy any Eorazia tokony ho 15 000 taona lasa izay, no nonina tao. Nanomboka tamin' ny taonjato faha-16 ny fanjanahan-tany eorôpeana. Tamin' ny 14 Mey 1607 dia naorina ny zanatany anglisy any Virginia; taorian' izay, zanatany britanika roa ambin' ny folo hafa no naorina teo amin' ny morontsirak' i Atlantika, fa ny firenena eorôpeana hafa kosa dia nisavasava ny ambiny tamin' ny tanin' i Amerika. Nitarika ho amin' ny ady ho an' ny fahaleovan-tea tamin' ny taona 1775 ny fifandonana nifanesy nifanaovan' ny zanatany telo ambin’ny folo tamin' i Britaina Lehibe. Natao tamin' ny 4 Jolay 1776 ny fanambàrana ny fahaleovantena, izay nivondronan' ny zanatany telo ambin' ny folo ka nahaforona an' i Etazonia, izay firenena nanafoana ny fanjanahan-tany ao aminy voalohany eran-tany, neken' i Britaina Lehibe tamin' ny fiafaran' ny ady, tamin' ny taona 1783 izany. Ny tantaran' i Etazonia ankehitriny dia voamariky ny fifandrafiana teo amin' i New York sy i Philadelphia, avy eo ny fakana ny tany any Andrefana, ny ady nifanaovana tamin' ny Indianan' i Amerika ary ny adim-pisaraham-bazana. Ny fiafaran' ny fanandevozana ny Afrô-Amerikana (Amerikana mainty hoditra) tamin' ny taona 1865 dia narahin' ny fanavakavaham-bolon-koditra nandritra ny taonjato iray. Tany am-piandohan' ny taonjato faha-20, i Etazonia dia nanjary firenena mandroso amin' ny sehatry ny taozava-baventy, nanana fitaovana nahafahany miditra an-tsehatra ivelan' ny taniny. Nandray anjara tamin' ny Ady Lehibe Voalohany àry izy, ary avy eo niharan' ny krizy ara-toekarena lehibe tany (frantsay: Grande dépression / anglisy: Great Depression) am-piandohan' ny taompolo 1930. I Etazoniza, izay mpandresy tamin' ny Ady Lehibe Faharoa niaraka tamin' ny firenena mpiara-dia (anglisy: Allies / frantsay: Alliés), dia firenena matanjaka ara-nokleary nanomboka tamin' ny taona 1945. Lasa firenena matanjaka indrindra eran-tany izy, avy eo niatrika ny rafitra kôminista tao amin' ny Firaisana Sôvietika sy ny mpiara-dia aminy, nandritra ny efapolo taona, ka izany fifanadrinana tsy misy fitaovam-piadiana izany no tondroina amin' ny teny hoe "Ady Mangatsiaka".

(tohiny...)

8 2024

Ao amin' ny tranoben' ny 120 Collins Street any Melbourne, Aostralia ny foibe aostralian' ny Rio Tinto.

Ny Rio Tinto dia vondron' orinasa mpitrandraka harena an-kibon' ny tany anglô-aostraliana misandrahaka maneran-tany, izay miorina indrindra ao Aostralia sady manana foibe roa (any Melbourn sy any Lôndona) sy ao Amerika Avaratra. Io vondrona io dia hita ihany koa amin' ny firenena maro amin' ny Kôntinenta dimy, nefa ny ampahany be amin' ny fitrandrahany dia ao Aostralia sy ao Kanada.

Ny fananany dia mitentina 81 lavitrisa dôlara, izay azy amin' ny alalan' ny tambajotran' orinasa sy sampana maro[6]. Hatramin' ny nividiany ny Alcan sy ny famoronana ny Rio Tinto Alcan, ny fitrandrahana ny viraty (na alominiôma) no lehibe indrindra amin' ny anton' asa sahaniny: niteraka 40 % amin' ny varotra nataony tamin' ny taona 2008 izany[7].

Ny fitrandrahana ny vy kosa dia 28 % amin' ny varotra ataony, ary ny Rio Tinto, niaraka tamin' ny orinasa BHP Billiton sy ny orinasa Vale, dia iray amin' ny vondrona telo izay manjaka amin' ny tsena maneran-tany amin' ny fitrandrahana sy fivarotana io akora io. Isan' ny asa sahaniny amin' ny sehatra hafa iasan' ilay vondrona ny arina sy ny varahina.

Sampan' ny Rio Tinto ny QIT-Fer et Titane izay manana zana-tsampana hafa ka ny eto Madagasikara dia ny QIT Madagascar Minerals (QMM) izay miorina ao Tôlagnaro (Fort-Dauphin) sady mitrandraka ilmenita na "fasi-mainty".

Ny orinasa dia naorina tamin' ny 1873, rehefa nisy fikambanana iraisam-pirenenan' ny mpampiasa vola niforona mba hividy ny toeram-pitrandrahan' i Rio Tinto izay an' ny governemanta espaniôla, teo amin' ny ony Rio Tinto . Ny mpividy dia nalain' ny mpanankarena mpanana taozava-baventy atao hoe Hugh Matheson (Matheson's Matheson and Company), izay namorona fikambanana natokana ho amin' izany ahitana Deutsche Bank (56 %), ny orinasa Matheson (24 %), sy ny orinasa misahana lalamby atao hoe Clark, Punchard and Company (20 %).

Amin' ny fivarotana ny toeram-pitrandrahana, tamin' ny fotoana feno fikorontanana ara-pôlitika (14 Febroary 1873), efatra andro taorian' ny fananganana ny Repoblikan' i Espaina, ny fikambanana dia nandresy ka nahazo ny toeram-pitrandrahana manontolo amin' ny tamin' ny tolotra mitentina 3,68 tapitrisa pound sterling (92,8 tapitrisa peseta espaniôla), taty aoriana dia naseho fa ambany lavitra noho ny tokony ho vidiny izany[8]. Ny tolotra dia ahitana andininy iray milaza fa ny governemanta espaniôla dia tsy manana ny zo rehetra hitaky ny tamberim-bidy momba ny famokarana eo amin' ilay toeram-pitrandrahana. Fotoana fohy taorian' ny nividianana ilay toeram-pitrandrahana, namorona an' ity orinasa indostrialy antsoina hoe Rio Tinto ity ny sendika (niditra tao amin' ny rejisitry ny orinasa espaniôla tamin' ny 29 Martsa 1873[9].

Lavaka be navelan' ny fitrandrahana nataon' ny orinasa Rio Tinto tamin' ny taona 1980.

Tamin' ny faramparan' ireo taona 1880, ny fianakaviana Rothschild dia nandray ny fanaraha-maso ny orinasa, izay efa nampitombo be dia be ny habetsahan' ny fiasany ny harena ankibon' ny tany trandrahany[9].

Nanomboka teo, dia nitombo sy nanan-karena ny orinasa nandritra ny fisian' ny fanambarana amam-pividianan-karen' orinasa ka nahatonga azy ho lasa isan' ny orinasa matanjaka indrindra eran' izao tontolo izao tsara amin' izao fotoana izao amin' ny famokarana akora isan-karazany, anisan' izany ny viraty, ny vy, ny varahina, ny oraniôma, ny arintany ary ny diamondra[10].

Na dia natokana ho an' ny sehatry ny fitrandrahana mineraly sy ny fitadiavam-bola momba ny metaly aza ny Rio Tinto dia manan-danja ihany koa izy amin' ny fahaiza-manao sy orinasam-panadiovana, indrindra fa ny fanadiovana ny baoksita sy ny akoram-by[11].

(tohiny...)

9 2024

Sary sy soratra famantaran' ny UNICEF

Ny Tahirim-Bolan' ny Firenena Mikambana ho an' ny Ankizy, izay antsoina amin' ny fanafohezana ny anarany taloha amin' ny teny anglisy hoe UNICEF na Unicef, dia rantsan' ny Firenena Mikambana, tompon' andraikitra amin' ny fanomezana fanampiana amin' ny maha-olona sy amin' ny fampandrosoana ny ankizy maneran-tany. Anisan' ireo fikambanam-piahiana ara-tsôsialy miely patrana indrindra eran' izao tontolo izao ny UNICEF, izazy ikambananan' ny firenena sy fanjakana miisa 192.

Ny hetsika ataon' ny UNICEF dia ahitana fanaovana vaksiny sy fisorohana ny aretina, fitsaboana ny reny sy ny zaza mitondra ny tsimokaretina VIH, fanatsarana ny sakafon' ny reny sy ny zaza, fanatsarana ny fidiovana, fampiroboroboana ny fanabeazana ary fanampiana vonjy maika raha misy loza mitranga.

Tamin' ny namoronana azy tamin' ny 11 Desambra 1946 tany New York, ny anarany tany am-boalohany dia ny United Nations International Children's Emergency Fund – UNICEF ("Tahirim-Bola Iraisam-Pirenen' ny Firenena Mikambana ho an' ny Ankizy"), fikambanana naorina mba mba hanome fanampiana avy hatrany ny reny sy ny zaza niharan' ny vokatry ny Ady Lehibe Faharoa. Tamin' io taona io ihany dia nanangana ny UNICEF ny Fihaonamben' ny Firenena Mikambana mba handrindrana ny asa fanampiana taorian' ny ady. Tamin' ny taona 1950 dia nohalavaina ny fe-potoam-piasany mba hamahana ny filana maharitry ny ankizy sy ny vehivavy, indrindra fa any amin’ ny tany an-dalam-pandrosoana. Tamin' ny taona 1953 dia lasa ampahany maharitra ao amin' ny Lamin' ny Firenena Mikambana ilay fikambanana, ary novana ho amin' ny endriny ankehitriny (United Nations Children's Fund) ny anarany, na dia notazomina aza ny fanafohezan-teny tany am-boalohany. (tohiny...)

10 2024

Mpino silamo mivavaka ao amin' ny môskea

Ny silamo na finoana silamo na fivavahana silamo (amin' ny teny arabo: الإسلام / AlʾIslām) dia fivavahana abrahamika mifototra amin' ny finoana an' Andriamanitra tokana (Allah) sy amin' ny Kor'any izay heverin' ny Mozilmana fa boky nandraiketana ny tenin' Andriamanitra ara-bakiteny natao sora-tononina. Nambara tamin' i Mohamady, izay ataon' ny Mozilmana ho mpaminanin' Andriamanitra, tany Arabia tamin' ny taonjato fahafito, ny Kor'any. Ny tawhid, izany hoe ny finoana an' Andriamanitra tokana, izay tsy ahitana fanompoana hafa afa-tsy ny fanompoana an' Andriamanitra, no fampianarana fototry ny finoana silamo.

Tamin' ny taona 2015 dia tombanana ho 1,8 lavitrisa ny isan' ny Mozilmana eran-tany, izany hoe 24 % amin' ny mponina maneran-tany, ka ny finoana silamo no fivavahana faharoa lehibe indrindra eran-tany aorian' ny kristianisma sy eo alohan' ny hindoisma. Mizara ho sampana samy hafa ny finoana silamo, ka ny lehibe indrindra dia ny sonisma, izay mitana ny 90 % amin' ny Mozilmana, sy ny siisma ary ny karijisma.

Mônôteista ny fivavahana silamo. Ny anaran' Andriamanitra dia Allah. Izany mahatokana an' Andriamanitra izany no atao amin' ny teny arabo hoe Tawhîd, izay hamafisina amin' ny fiekem-pinoana (arabo: Shahâda) hoe: "Manambara aho fa tsy misy andriamanitra hafa afa-tsy i Allah ary i Mohamady no irak' Andriamanitra" (arabo: "اشهد ان لآ اِلَـهَ اِلا الله و أشهد ان محمدا رسول الله " / ʾašhadu ʾan lâ ʾillâha ʾillâ -llâh, wa-ʾašhadu ʾanna Muḥammadan rasûlu-llâh).

Amin' ny Mozilmana dia i Allah no mpahary izao rehetra izao (na ‘âlam), ka maro ny teny amaritan' ny boky Kor'any ny toetrany, toy ny hoe "mahery", "mahay", "be indra fo", sns. Anarana miisa 99 no omen' ny fivavahana silamo an' ity Andriamanitra tokana ity, izay atao hoe "anaran' Andriamanitra tsara indrindra".

Amin' ny silamo dia tsy azo aseho an-tsary Andriamanitra satria tsy mifangaro fa ivelan' ny zavatra noforoniny sady avo indrindra.

Sady lavitra no akaiky, sady araka ny fomban' olombelona no tsy takatry ny sain' olombelona Andriamanitra, araka ny soratra ao amin' ny Kor'any, ka zava-miafina tanteraka izy, na "ghayb", tsy hay ampitahaina na amin' inona na amin' inona. Manana toetra fito fototra i Allah, dia ny fiainana, ny fahalalana, ny hery, ny sitrapo, ny fandrenesana, ny fahitana ary ny fitenenana.

Tsy lahy tsy vavy Andriamanitra. Mpahary sy mahefa ny zava-drehetra sy mahalala ny zava-drehetra ary mihoatra ny zavaboary noforoniny izy. Izy no tompon' izao rehetra izao sy ny hoavy, mpitsara amin' ny fitsarana farany izy. Niseho tamin' ny mpaminany nifandimby Andriamanitra, hatramin' i Adama ka hatramin' i Mohamady. Ny soràta 112 (Al-Ikhlas) dia mamondrona ny fotopotony amin' ny fiheveran' ny silamo an' Andriamanitra: "Izy no Allah tokana, Allah tsy takatry ny eritreritra, tsy miteraka Izy, tsy nateraka Izy, ary tsy mitovy na amin' inona na amin' inona Izy". Manambara ny toetr' Andriamanitra izay mihoa-draha tanteraka ny Kor'any, nefa milaza koa io boky io fa akaikin' ny olombelona (Kor'any, soràta 50:16) sy ny zavaboary noforoniny izay isehoan' ny asany sy anehoany izany asany izany Andriamanitra izany. (tohiny...)

11 2024

Fasana antanosy manamorona ny lalana avy any Tolagnaro mankany Amboasary Atsimo

Ny Antanosy na Tanosy dia vondrom-poko ao amin' ny tendro atsimo-atsinanan' i Madagasikara dia ny faritra Anosy izany izay misy an' i Taolagnaro, eo anelanelan' i Masianaka sy Mandrare no misy azy betsaka indrindra, nefa ahitana azy koa ny tanàna toa an' i Bezaha sy Vatolatsaka (ao amin' ny distrikan' i Betioky-Atsimo) ary any Bereketa (distrikan' i Sakaraha) any amin' ny faritra Atsimo-Andrefana. I Taolagnaro no tanan-dehiben' izy ireo. Ny Antanosy mipetraka any Bezaha sy ny manodidina, dia nifindra any taorian' ny nandresen' ny Merina an' Anosy. Tombanana ho 360 000 ny Antanosy tamin' ny taona 2013.

Ao amin' ny Faritra Anosy ao atsimo-atsinanan' i Madagasikara no tena fonenan' izy ireo, na dia eo aza ny Antanosy mipetraka any Bezaha sy ny manodidina, izay nifindran' ny sasany tamin' ireo Antanosy taorian' ny nandresen' ny Merina an' Anosy.
Lehilahy antanosy teo anelanelan' ny taona 1900 sy 1910.

Tamin' ny taonjato faha-19 ny Antanosy dia nibodo ny ampahan-tanin' ny Mahafaly sy ny an' ny Bara, hatrany amin' ny reniranon' i Onilahy any atsimo-andrefana, noho ny fahaiza-manaony. Izany fifindrà-monina izany dia vokatry ny fahatongavan' ny tafika merina tany Anosy[12].

Niisa 360 000 any ho any ny Antanosy tamin' ny taona 2013[13]. 2 % n' ny vahoaka malagasy eo ho eo ny Antanosy, ka isan' ireo vondrom-poko madinika eto Madagasikara amin' ny isan' ny mponina sy amin' ny velaran' ny tany nonenan' ny razany[14].
Mpiady antanosy tamin' ny taona 1908 any ho any
Ny razamben' ny Antanosy ankehitriny dia nifindra monina avy any avaratra tokony ho 150–200 taona lasa izay. (tohiny...)

12 2024

Famangian' ny Magy

Ny Noely na Krismasy dia andro firavoravoana kristiana izay ankalazana sy ahatsiarovana ny nahaterahan' i Jesoa Kristy. Aorian' ny Paska (na Paka) dia ny Noely no andro fety manan-danja indrindra amin' ny alimanakan' ny ankamaroan' ny fiangonana kristiana. Ny andron' ny Noely anefa dia tsy fitsingerenan' ny andro nahaterahan' i Jesoa fa daty nifanarahana fotsiny hanaovana ny fankalazana. Ny fiangonana katôlika sy ny fiangonana prôtestanta dia mankalaza ny Noely amin' ny 24 sy 25 Desambra. Ny fiangonana ôrtôdôksa dia mankalaza ny nahaterahan' i Jesoa amin' ny andron' ny Epifania amin' ny volana Janoary.

Tsy misy soratra ao amin' ny Baiboly izay mandidy ny fankalazana ny Noely. Noho izany dia ao ireo fiangonana mankalaza ary ao koa ireo tsy mankalaza izany. Ankehitriny dia maro ny olona mankalaza ny Noely na Krismasy tsy mampifandray izany amin' ny resaka fivavahana.

Tamin' ny taonjato faha-4 no nanombohana nankalaza ny Noely izay niely tsikelikely eran' i Eorôpa sy manerana ny tany lemaka manodidina ny Ranomasina Mediteranea. Izany fety fankalazana ny fahaterahan' i Jesoa izany dia nihanisolo ireo fety manam-pifandaisana amin' ny andro manodidina ny 21 na 22 Desambra toy ny fety jermanika atao hoe Yule, ny fetin' i Mitra (jereo koa Mitraisma), ny Satornaly rômana, sns. Naseho ho toy ny masoandron' ny fahamarinana ao amin' ny andro vaovao i Jesoa Kristy, ka ny fahaterahany dia manokatra ny taona litorjika amin' ny fotoana anaovana ny lamesa misasaka alina.

Ny fitantarana ny nahaterahan' i Jesoa araka ny Evanjely no fiaingan' ny famoronana zavakanto nandritra ny taonjato maro (ao ny hosodoko, ny sokitra, ny mozika, ny asa soratra) izay nohamafisin' ny fielezan' ny fampiasana ny tranon' omby sy ny fandrian-jazakely, nefa ireo fombafomba sy zavatra manam-pifandraisana amin' ny fety tsy kristiana tany aloha dia tafiditra ao koa. Ny hazokesika nampiasain' ny vahoaka jermanika sy ny vahoaka any amin' ny faritra avaratr' i Eorôpa, izay mariky ny zavaboary velona misedra ny ririnina dia nomena haja nanomboka tamin' ny taonjato faha-16 sady tafiditra tany am-piangonana. Ankehitriny ny hazo Noely dia lasa evan' ny fotoana ankalazana ny faran-taona, ka niaraka tamin' ny fialan' ny fivavahana kristiana avy ao Eorôpa amin' izao andro izao.

Ilay fanao ahitana an' i Dadabe Noely, izay niely eran' izao tontolo izao tamin' ny taonjato faha-20, dia nameno izany fivoarana izany ka nanampy singa ivelam-pivavahana amin' ity fety kristiana ity, izay mitodika kokoa any amin' ny ankizy sy ny fianakaviana ary ny fanomezana.

Iray amin' ireo fetim-pahaterahana ankalazain' ny Fiangonana katôlika ny Noely, ny roa hafa dia ny fahaterahan' i Joany Batista (24 Jona) sy ny fahaterahan' i Masina Maria (8 Septambra).

(tohiny...)


  1. Ogot, Bethwell A. (1992). Africa from the Sixteenth to the Eighteenth Century. Paris: UNESCO.
  2. Diagram Group (2013). Encyclopedia of African Peoples. San Francisco, CA: Routledge. p. .
  3. Bradt, Hilary; Austin, Daniel (2007). Madagascar (9th ed.). Guilford, CT: The Globe Pequot Press Inc. pp. 113–115.
  4. "Madagascar : le président Rajoelina est bien français", Le Monde.fr,‎ 15 juin 2023 (vakio eto [tahiry], notsidihina tamin' ny 15 juin 2023)
  5. "Madagascar: island even more isolated after coup". Csmonitor.com.
  6. Rio Tinto Chartbook Archived Jolay 15, 2011 at the Wayback Machine, marsa 2009, Rio Tinto Group, notsidihina tamin'ny 08-04-2009
  7. "Rapport annuel 2008" (PDF). Archived from the original (PDF) on 2016-03-03. Retrieved 2018-04-16.
  8. Huelva Province – Rio Tinto, Andalucia.com, notsidihina tamin'ny 03/03/2009.
  9. 9,0 et 9,1 Charles E. Harvey (1981) ; The Rio Tinto Company: an economic history of a leading international mining concern (Ny orinasa Rio Tinto : tantara ara-toekarenan'ny vondrona mpitrandraka harena an-kibon'ny tany mantanjaka eran-tany), jereo takila faha-188.
  10. Rio Tinto ; Résultats préliminaires 2008 Archived Martsa 27, 2009 at the Wayback Machine.
  11. Our Products; Rio Tinto web site Archived Desambra 13, 2010 at the Wayback Machine, Rio Tinto Group, 2009/04/11
  12. Ogot, Bethwell A. (1992). Africa from the Sixteenth to the Eighteenth Century. Paris: UNESCO.
  13. Diagram Group (2013). Encyclopedia of African Peoples. San Francisco, CA: Routledge. p. .
  14. Bradt, Hilary; Austin, Daniel (2007). Madagascar (9th ed.). Guilford, CT: The Globe Pequot Press Inc. pp. 113–115.