Jeôgrafian' i Borkina Fasô
Ny jeôgrafian' i Borkina Fasô dia iresahana indrindra ny vohon' ny tany sy ny fiparitaha' ny zavamaniry sy ny biby ary ny olombelona ao amin' ity firenena ao Afrika Andrefana ity, izay manana velarana mirefy 274 200 km², tsy manana morontsiraka. Mamaritra an' i Borkina Fasô avy ao avaratra sy andrefana i Malỳ, avy ao atsinanana i Nizera, ao atsimo i Benîno sy i Tôgô sy i Ganà ary i Kôtidivoara. Atao hoe Borkinabe ny vahoaka ao aminy.
Lembalemba manana salan-kaambo mirefy 250 hatramin' ny 350 m no manjaka amin' ny vohon-tanin' i Borkina Fasô. Milatsaka tampoka izany lembalemba izany any atsimo-andrefana izay ahitana hantsana sy ny riamben' i Banfora, midina izany any avaratra mankany amin' ny lohasahan' i Niger. Maro ny ony sy ny renirano manondraka an' i Borkina Fasô, ka isan' izany i Comoé, i Nazinon (na Volta Rouge), i Mouhoun (na Volta Noire) ary i Nakambé (na Volta Blanche). Matetika andalovan' ny haintany i Borkina Fasô ary maina ny rivotra.
Vohon-tany sy rano
hanovaI Borkina Fasô dia manana velarana mirefy 274 200 km². Lembalemba manana salan-kaavo 250 m hatramin' ny 350 m no mandrafitra azy, izay midina tampoka miankandrefana (hantsana sy ireo riandrano Banfora) ary midina mianavaratra mankany amin' ny lohasahan’ i Niger.
Io lembalemba io dia misolampy kely, izay tondrahan’ ny renirano Comoé ao andrefana tondrahan’ ny renirano Volta Noire (na Mouhoun) ao andrefana sy ao atsimo, izay hany renirao mandavan-taona, tondrahan’ ny renirano Volta Rouge (Nazinon) ary ny Volta Blanche (Nakanbe), ka ny fihaonany ao Ganà dia miteraka ny ony Volta. Eo atsinanana no ivoahan’ ny sakeli-drano kely tsy azon’ ny sambo aleha manompo ny ony Niger, ka ny lehibe indrindra dia i Pendjari.
Toetany
hanovaToetrandro saheliana no manjaka any amin' ny tapany avaratra amin' i Borkina Fasô ary toetany sodaney ny any amin' ny faritra sisa amin’ ilay firenena. Hatramin’ ny Nôvambra ka hatramin' ny Marsa dia misy vanim-potoana maina mangatsiaka, izay itsofan’ ny rivotra harmatàna, rivotra avy any Sahara, ary miavaka amin' ny elanelan-kafana lehibe eo amin' ny andro sy amin’ ny alina.
Manomboka amin' ny volana Marsa ka hatramin' ny volanao Mey dia manjaka any Borkina Fasô ny hafanana sy ny hamandoana. Ny haavon' ny rotsak' orana dia midina avy amin' ny 1 300 mm mahery any atsimo-andrefana, faritra mamokatra indrindra ao amin' ilay firenena, ka hatramin’ ny 254 mm latsaka any avaratra; amin' ny fahavaratra no avo indrindra izany. Ny elanelan-kafana dia avo any avaratra (15 °C hatramin' ny 45 °C); any an-kafa ny mari-pana dia miovaova eo anelanelan’ ny 21,1 °C sy 26,7 °C.
Zavamaniry sy biby
hanovaNy lembalemban-tanimena, rakotra hivoka feno kirihitra sy ala mahalana, kirihitra misy zavamaniry be tsilo no mandrakotra ny tapany avaratra amin' i Borkina Fasô. Any amin'ny faritra iva any atsimo-andrefana dia misy ala mando kokoa, ala mikitroka manamorona ny renirano. Ahitana liona, pantera, elefanta, lalomena, ombidia bofalô, antilôpa ary voay. Betsaka koa ny biby madinika.
Harena voajanahary
hanovaIharan' ny hain-tany sy ny rivotra maina i Borkina Fasô, indrindra any amin' ny faritr' i Volta Noire izay tsy maintsy antsakana rano any an-drenirano.
Ny fampandrosoana ara-toekarena ao Borkina Fasô dia voasakantsakan’ ny toetran' ny firenena voahidy (tsy manana morontsiraka) indrindra sy ny toetry ny nofon-taniny mena tsy mitahiry rano. Olana lehibe ny famatsian-drano isaky ny faran' ny fotoan' ny main-tany ary voafetra ny fahafaha-mitari-drano, afa-tsy ny any atsimo. Manodidina ny 17,9 % amin’ny tanim-pirenena no ambolena, indraindray amin’ny fomba mifindrafindra, ary 37 % no rakotra kijana.
Ny ambanin'ny tany dia manome fahafahana: i Borkina Fasô, izay nalaza taloha amin'ny otri-bolamena kely maro sy amin’ny asan'ny mpanefy ao aminy (ny fampiasana lafaoro hanadiovana ny akoram-by dia nahatonga ny fandripahana ala ao amin' ity firenena ity), dia manana tahiry manganezy, varahina, vy, kasiterita (akora firapotsy) ary fôsfaty koa.
Olombelona
hanovaNy Lôby, ny Goronsy ary ny Senofô no heverina fa isan' ny mponina voalohany tao amin' ilay firenena. Ny Môsy no mandrafitra ny antsasaky ny mponina sady mampisy firaisana ara-kolontsaina sy ara-pôlitika ao amin’ io firenena io; nanorim-ponenana tao izy ireo nandritra ny fifindrà-monina fahiny niaraka tamin' ny Bôbô, ny Gormantse ary ny vondrona miteny mande hafa. Ny Folany, izay mpiompy andiam-biby, dia monina miaraka amin' ireo tantsaha ireo ka mifameno ny fiainany ara-toekarena.